Nandehandeha teo an-dalam-be indray maraina tamin’ny fahavaratra. Matanjaka tsara ny tenany, ny tarehiny mamiratra amim-pahasalamana. Ny masoandro namirapiratra, ny vorona nihirahira eo an-daniny. Ny heniheny fiandrasam-biby (ondry) voaravaka ny voninkazo. Ilay zaza dia sambatra ka tsy nihevitra izay hanjo : Nitsambikina, nihira, nihazazakazaka, ary ny fony dia nieponempona tamin-kafaliana ny fony. Fantany izay tsy maintsy ho hatao raha faly. Koa dia hitany niaraka amin'izay tam-panahy fa Jesosy Kristy no nanome antsika ny tena fifaliana, fa raha faly isika dia Andriamanitra no nanome izany ahy, Kristy, ka dia niantso tao am-po lalina izy hoe : « Andriamanitra ô misaotra anao aho, fa efa nampifalinao » Izany no fanatonana an’i Krtisty, koa raha faly ianao dia manatona azy misaora azy.
Nisy zazalahy iray nandeha ho any amin'ny sekoly ka nahita ny lesony saotra dia sarotra. Ireo sakaizany nanahirana azy ka naome hevi-dratsy azy, ka dia hoy izy : « Raha sarotra ny lesona dia aleoko hijanona tsy ho any amin'ny sekoly. » Vetivety dia hoy izy : « Jesosy Kristy hanampy ahy, raha mangataka azy aho » dia nandohalika izy no niteny hoe : « Ry Jesosy ô, manampia ahy ankehitriny ka manomeza ahy fahendrena, ampio aho hahavita ny lesoko, ary omeo fahalemem-panahy amin'ireo namako ireo aho mba tsy ho tezitra aminy na dia manahirana ahy aza izy ». Izany dia fanatonana an’i Jesosy. Koa dia mangataha fahendrena amin'i Kristy mandrakariva hahazoanao fahendrena sy faharetana amin'ny raharahanao.
Nisy zazavavy tsy nanoa ray aman-dreny indray andro ka niakatra tany an-efitrano ambony hitoetra irery any ohatra ny efa nofaizina, ka nitoetra teo ambony sezam-bory am-pahatezerana sy miteny hoe : « Tsy hifona na oviana na oviana aho. Eny, tsy hanao izany tokoa aho. » Nefa nanaraka izany dia menatra izy ka niteny hoe : « Maditra laotra aho, fa i neny malala dia malemy fanahy amiko » ka dia raraka ny ranomasony, « angamba raha mifona aho dia hamela ahy izy » Dia nalahelo izy ka nanao ny tànany eo an-dohany « Inona no hataoko ? » Dia nanampa-kevitra izy fa ho any amin'ny ray aman-dreniny, izay efa nanotany. Sarotra taminy anefa izany. Nefa fantany koa fa Jesosy dia maty hamonjy ny mpanota, ka dia nantenainy fa hihaino ny fifavahany izy. Dia nandohalika tamin’alahelo izy ka niteny hoe : « Tompo ô, ratsy dia ratsy fanahy aho, mamelà ny heloko fa mangataka aminao aho ovao ny foko, satria Kristy efa maty hamonjy ny mpanonta. Amen. » Tsaroany ho faly izy noho ny ninoany fa Andriamanitra efa namela ny helony ary nanantena koa izy fa hanao izay koa reniny. Taorian’ny nidiran-dreniny tamin’alahelo sy ory teo am-baravarana dia nihazakazaka izy ka niatoraka teo an-tongon-dreniny teo anolohany nihohoka teo amin'ny aron’akanjony sady niteny tamim-peo malemy hoe : « Neniny malala ô, mifona aminao aho fa tsy hanao izany intsony (haditra), mamelà ny heloko. » Nefa hoy ny reniny tamim-pahamaontinana : « Tsara izany sombin’aiko, mahafaly ahy ny hanala ny helokao nefa tsarovy fa efa nanota nanohitra an’Andriamanitra ianao. » « Fantatro tsara izany ry neny » hoy ilay zazavavy tamim-pahamaontinana, « ka efa nifona taminy aho, ary nanantena Azy fa hamela ny heloko Izy noho ny fitiavan’i Kristy. » Faly reniny tamin’izay ka nanoroka an-janany dia niara-paly izy roa no niaina faly indrindra.
Tapitra