09 Toko

Ny mpampianatra sy ny fampianarany :

Tsy misy mpampianatra voatokana hampianatra ny ankizy ny amin'ny finoana, fa ny ray aman-dreny tsirairay no samy mampianatra ny zanany avy. Mahate-hidera ny Bara raha ny fahazotoany hampianatra ny zanany ny amin'ny finoan-drazana no heverina, fa tsy ny fampianarany. Ny vavy antitra izay ataony hoe : « apelambatotse » no tena mpampianatra ambony indrindra. Koa ny zaza izay tezain’apelambatotse no tena nahita fianarana ambony amin'ny finoan-drazana, satria mahay rahateo ny mpampianatra no efa nahita zavatra maro koa. Ny fahasahiranana momba ny tokan-trano koa tsy dia manahirana azy ka afaka hampianatra tsara izy.

Ny fotoana na ny tany hampianarana koa dia tsy voafetra na any an-tsaha mitady fivelomana, na eny an-dàlana, na eny am-patsakana fa velona ny tantara madinika, angano sy ny fampianarana momba izany. Eo am-pihinanam-bary sy eo am-pandriana koa dia roraka ihany ny fampianarana. Ny sasany momba izay tokony hataony ary tsy tokony hatao, fa fadin-drazana. Raha tiany ho latsaka ao am-pon’ny ankizy tsara ny fampianarany dia anaovany tantara, na fanoharana mamporisika na mampalahelo. Raha te-handrahona izy dia mitantara fa nisy zaza telo mianadahy hono ka tsy nety nanaraka ny fadin-drazana izy ireo rehefa lehibe, koa toy izao no samy niafarany avy : Ny lahy matoa novonohim-baratra. Ny ivon-jaza nohanim-boay. Ny vavy farany kosa maty mbanin’ny zanany raha niteraka. Mihoron-koditra ery ny ankizy mahare io tantara io, ka mila hianiana mihitsy fa tsy mba handika ny fadin-drazana mandritry ny andro hiainany. Raha te hamporisika ny ankizy izy ny amin'izay mahafaly dia manondro olona maromaro izay samy fantatry ny ankizy avokoa ny anarany tsirairay. Ireo dia olona manan-karena sy maro anaka. Dia ampihariny amin’izay fa ny anton’ny mahatoy izao ireo olona ireo, dia ny fanarahany ny fadin-drazana nampianarin’ny ray aman-dreniny azy. Faly sy mibitaka ny fon’ny ankizy mahita ireo olona efa manana ireo tokoa, ka mainka mikasa mafy izy fa tsy handika ny fadin-drazana mba ho tonga tahak’ireo olona ireo rehefa lehibe.

Ny vokatr’izany fampianarana izany :

Na maty aza ny ray aman-dreniny, mbola velona ao an-tsofina ihany ireo fampianarana natao taminy ireo, ka voatahiry ao am-pony ka sarotra ny hahafaty izany tao aminy, raha hoe hevitr’olona fosiny. Ny zaza tezain’apelambatotse aza tonga matahotaho-dava amin'ny zavatra rehetra, fa toa hahadiso azy avokoa izay rehetra ataony ka tsy misy olona manao azy hoe : « ataovy izao » Ny fampianarana ataon’ireo ray aman-dreny niteraka ireo dia zavatra tsaratsara ihany, fa ny an’ny apelambatotse kosa mahafoaka be fa hatramin’ny fitondran-tena momba ny fijangajana, ny fananam-bady, etc… ka ampianariny avokoa. Koa ny sasany amin'ireny zaza tezain’apelambatotse ireny dia tena madio mihitsy raha ny fitondran-tenany no heverina. Fatratra ny fikarakarany azy fa tsy avelany hiara-milalao amin’ireo ankizy namany raha ho lavitra.

Noho izany raha misy zazalahy sy zazavavy samy notezain’apelambatotse ka mivady izy roroa, tena mahafinaritra tokoa ny tokatranony, satria mifanaraka ny toetr’izy roroa amin'ny zavatra rehetra. Fony kely dia samy notezain-drenibe, samy nahita fianarana tamin’izany, mitovy koa ny fahalalana ka mifandanja tsara. Nefa indrisy raha samy olona hafa tsy mifanara-toetra aminy iny no vadiny mampalahelo ery, indrindra fa ny vavy tsy mba mahadidy ny tena fa miandry lahatr’olona.

Mety koa raha aseho eto ny asan’ny filazantsara any ny amin'ny ankizy. Fotoana vitsivitsy isan-kerin’andro no ampianarana sekoly alahady ireo, nefa ny ray aman-dreniny kosa mampianatra azy andro aman’alina. Noho izany teo aloha dia sarotra mihitsy ny hahazoana ireo am-po tsara, fa mafy ny finoan-drazany. Nefa ankehitriny dia efa mihetsiketsika be ihany ny Bara amin'ny fandrosoana sy ny fianarana, ka maro ny zana-tany no efa kristiana. Ny fahatahorana tsy handika ny fadin-drazana dia novany ho tahotra an’i Kristy am-pitiavana. Ny soa ampanantenaina ho an’izay mitandrina tsara ny fadin-drazana, soloany ny fiainana mandrakizay ho lovany raha manao ny sitra-pon’i Jesosy Tompo izy. Ny fandrahonana hihatra amin'izay tsy manaraka ny fadin-drazana, raisiny literaly ho anjarany, raha manao izay tsy ankasitrahin’ny rainy izay any an-danitra izy.

Izany ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy sy ny vokany, fa tonga fitarihan-dàlana ho amin'ny filazantsara indray ireo ankehitriny na dia toy ny vato misakana aza. Ka aoriandriana any dia ho re ny feon’ireo zana-tany Bara ireo hoe : « Soa ihany fa noana aho hahahinanako be. »