Ny atao hoe BARA dia ity firenena mifanila-tany amin’ny Betsileo ao an-tapany atsimo ity, mizara ho firenena telo izy :
Ny Bara atsinanana (fari-tanin’ny Ivohibe) : « Bara–Tanala » no anaovan’ny Bara any andrefana azy noho izy mifanila-tany amin'ny Tanala.
Ny Bara afovoany (fari-tanin’Ihosy) « Bara » no anaovana azy.
Ny Bara andrefana (fari-tanin’Ankazoabo) « Bara-Imamono » no iantsoana azy.
Izany ny anaran’ny fizarazaran’ny Bara araky ny misy azy avy, fa aoka handinika ny finoany.
Ny boky mirakitra ny asa-soratry ny dokotera Antoine Marie RAMARLAH dia azonao hadika maimaim-poana eto amin'ity habaka ity : "Fichiers Bara de Madagascar"