Ny Kôlejy Md François Xavier

Tamin'ny volana desambra taona 1952 no nisokafan'ny vavahadin'ny Kôlejy Md François Xavier voalohany teo Ambatomena Fianarantsoa. Talohan'io dia teo ambany elatry ny Kôlejy Md Joseph teo Ambozontany no nisy azy.

Fampisehoana mivelatra natao tao amin'ny Kôlejy no nakàna ireto famintinana ny tantaran'ny Kôlejy ireto. Isaorana indrindra ny Kôlejy Md François Xavier tarihin'i Maopera Prospère Ratovomananarivo, recteur ankehitriny, sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra; fa avy tamin'io fampisehoana mivelatra io no nahafahanay "nangala-tahaka" ka nanoratra ny ankamaroan'izay voalaza ato amin'ity famintinana ity.

Araka izany, 60 taona mahery no nijoroan' ity Kôlejintsika ity. Hoezahina hofenoina ny tantara voasoratra eto: hahitsy ny somary melomeloka, hofenoina ny banga; ka isika tsirairay no antenaina hilaza izay fantatsika, Tsy hijery arina an-tava ka handiso an'izay heverinao fa tsy marina. Handefa sary hampiaina ny tantara.

Ny hevitry ny maro no mahataka-davitra, koa aza misalasala e!...kiliky iray eto dia ampy.

Misaotra anao mialoha.

Recteurs nifandimby

(tondroy ny sariny)

Kilikeo ny sary

RY MPIARO MASINA (- Hira fanevan'ny Kôlejy Md François Xavier Fianarantsoa:)