Recteurs nifandimby
(tondroy ny sariny)
Ho valin'ny fifampizaràna, taratasy nosoratan'i P Recteur tamin'ny 12/08/2014 teo, dia indro atolotra antsika eto ny valin-teny sy tolo-kevitra avy tamin'ny namana maintimolaly sasany izay tsy nisalasala nandefa izany; ka ampitaina any amin'i P Recteur sy mba hiaraha-mandinika eto.
Araka ny efa voalaza, dia misy maromaro amintsika no mpampianatra na mbola eo am-perinasa na efa misotro ronono na aty Madagasikara na any am-pita, samy manana ny traikefany (expérience) ny tsirairay. Misy ny Ray aman-dreny mbola mampiana-jaza, na efa nahatafita ny azy, ilaina ihany koa ny traikefanareo.
Koa velezo àry ny vy dieny mbola mafana, vao manomboka ny taom-pianarana izao, ka inoana fa tsy hifampijery arina an-tava isika fa samy hilaza sy hizara izay fantany fa hanatsaran-javatra. Ny hevitry ny maro no mahataka-davitra ka aza misalasala, tsindrio eto dia sorato ny tianao hambara.
Misaotra anareo izay efa mandray anjara amin''ny alalan'ny tolokevitra sy ady hevitra eto ity; ary mbola miandry an'izay holazain'ny hafa. Asa vadi-drano izy ity ka tsy vita tsy ifanakonana.
HORODATEUR
06/09/2014 23:28:49
2014-09-06 20:34 GMT+02:00
FANEHOAN-KEVITRA, TOLOKEVITRA HOENTI-MANATSARA
Miarahaba antsika rehetra.
Izaho moa dia mpampianatra aty an-dafy fa na dia lavitra aza dia ny eritreritra tsy mitombona fa dia mivetsovetso ny aty an-tanindrazana.
Misaotra an’i Recteur nanoratra sy nizara ny fomba fijeriny momba ny fampianarana eto amin’ny Kolejy.
Anefa dia aleo manotanitany foana toy izay manaonao foana. Hoy ny vazaha hoe : « Vaut mieux comprendre un problème sans le resoudre que resoudre un problème sans le comprendre ».
Dia hoy izaho hoe alohan’ny hamaly ny taratasin’i Recteur dia mametraka ireto fanontaniana ireto aho : Inona no tena andrasan’i Recteur aminay ? Inona no azo iarahana miasa ?
Hevitra ifanjarana moa izy ity ka dia ireto tsetsatsetsa tsy aritra.
1- Tsy dia azo omena tsiny ny mpampianatra fa valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza. Na dia eo aza ny finiavana ny fiofanana azo no entina mampianatra.
2- Ny zava-misy anefa tena efa miova. Na dia firenena tsy mandroso aza isika dia manaraka ny fandrosoana : telephone portable, internet, ordinateur, video,…Ny vokatr’izany dia tsy azo avela ny voly traka no tsy maintsy atao koa izay hianarana ordinateur.
3- Ny fomba fampianarana anefa tsy dia niova hatramin’ny ela izay : générale sy technique izay ihany.
MPANDEFA
Ra-Lucien.
(SFX 1975-1981)
Ny generale anefa cycle long izany hoe tsy maintsy bac plus 5 any izany vao hahita ny vokatrin’ny fianarana raha hahita.
Ny technique cycle court nefa vitsy dia vitsy ny spécialités misy indrindra raha oharina amin’ny spécialités efa ho 150 aty France raha ny bac fotsiny no jerena. Raha betsaka ny tanora afaka bac aty an-dafy dia tsy ny filière générale fotsiny no mahatonga izany fa eo ny bac professionnel sy ny technologique. Ministera telo no mindraikitra ny fampinarana : Education Nationale, Agriculture, Industrie. Ny ministera ny fambolena sy ny fiompiana dia manana ny diplomes manokana ary misy spécialités efa ho 70 mahery. Ny formation par alternance, formation pour adultes, formation des apprentis par apprentissage…
Raha afohezina dia hoe diversité de formations et de voies de formation.
Vokatr’izany dia ireto misy soritrasa azo eritreretina :
A- Fampiofanana ny mpampianatra
B- Fanitarana ny fampianarana : spécialités…
C- Fitadiavana partenaires aty ivelany
Mba hanatanterahana an’izany dia izao :
I- Hotohizana ny fampianarana misy amin’izao. Tsy maintsy maka bac malagasy ny mpianatra mba hanamarihana ny fari-pahaizany fa izay no zava-misy eto an-toerana.
II- Hanokatra formations cycles courts professionnalisation post BEPC na Post Bac na formations pour adultes. Fanofanana « spécialités ».
III- Hanomana cycle de conférences na ateliers à thème hoentina mandalina ny zava-misy (Université populaire).
IV- Manangana comité pégagogique hanampy sy handahatra ny fampiofanana ny mampianatra sy ny fandrindrana ny programmes.
Izay ny kely aroso avy aty aminay. Be no tiana hambara anefa sao dia lava ny ahitsa hoy ny mpikabary. Tsy dia hoe tianay ny hanondrana aty Madagasikara ny fomba fampianarana aty an-dafy na hoe tena lavorary ny fomba fampianarana aty ka dia halain-tahaka izay misy aty fa mason-tsora ka ny kely ananana no ahiratra. Ny soa fianatsa ka dia ataovy voankazo an’ala.
Farany dia miala tsiny raha somary efa bakabaka ny fanoratana teny Malagasy fa vay an-kadrina io ; anefa teny Malagasy no nanoratan’i Ray aman-drenintsika Recteur dia niezaka koa anay ny namaly azy amin’ny teny Malagasy.
Samy ho tahian’Andriamanitra daholo.
Ra-Lucien.
Momba ny raha lazain'i Père Recteur, tena hevitry ny maro sy ny fahasamihafana mitambatra no haravona iray
ka tokony :
1- manao taratasy iray ho vakiana amin'ny 1ère réunion des parents d'élèves ny maintimolaly avy aty an-dafy ho fanentanana, ataovy teny tsotra : teninà teknisianina fa aza atao lahatsoratra feno filôzôfia lalina fa ny parents d'élèves amin'izao efa mihatanora koa, sady be raha hirehina ka tsy manam-potoana hanakatra ny tian-kambara raha vao sarotsarotra.
2-manaova projet kely mihintsy ry Mômpera: na ho an'ny mpampianatra, na ho an'ny ankizy. :
izao no objectif , izao no coût sns , izao no andrefesana ny vita.........
Amporisiho ho mpiara -mikatroka ( partenariats ny Mômpera ny Ray aman-dreny , ary ny maintimolaly, ho hita eo ny fientanan'ny tsirairay fa" izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary" , amin'ny fanatanterahana ny projet dia :
tena maka classe iray atao "classe pilote" , dia concentréo ao bebe kokoa ny tian-ko ho azo , satria ny aty amin'ny foko Betsileo tsa mba resy lahatra zao, lehe tsa tena mahita tokoa hoe :" tena raha soa tokoa toy izao ny vokany."
3-aoka ho fantatsika mpitarika koa fa agnay Ray aman-dreny dia:
- Manetsina ny tsy mahavita ny adidinay amin'ny zanakay, ka raha vao tenenina ny zanakay fa maditra na nanao raha tsy nety dia agnay Ray aman-dreny ro masiaka aloha, miaro be fahatany ny kilonga, nefa tena tsy nahavita ny fanabeazana ny zaza, indrindra moa izany "suivi et contrôle "amin'ny zaza izany.
4-Tsara koa ny mi -comprendre ny mahazo ny ray aman-dreny amin'izao fotoana izao hoe : miasa mafy fa karama kely,
Ka dia ento amin'ny fomba mety hitondrana azy fa samy tokony "hiara-mamindra miroso fa ny fomba hitondrana ny famindra ro ataovy mitovy eo am-panombohana.
Mirary soa e! ary samy hampian'Andriamanitra !
Manohy-ho-vao
miarahaba anareo rehetra
misaotra fa voaray ny fifampizarana. misy soso-kevitra tsaraary eo ampandinihina azy aho
ampitaiko ombieny ihany ny vokany sy izay tokony hatao miaraka.
sarotra tokoa ity sehatra ity ankehitriny.
Ny finiavana manosika ahy dia ny hoe: "tsy ampy intsony ilay mihanona amin'ny fanenjehana voka-panadinana ofisialy ankehitriny.
- tsy mahasoa ny ankizy ary fanapotehana ny ho avy sy ny firenena ny mihanona fotsiny amin'izao, mitaky fahaizana, fahaiza-manao ary fahaiza-miana bebe kokoa sy hentitra kokoa ny vanin'andro hiainantsika.
- izay tsy mandroso dia mihemotra. tsy hary ho voafehy indray mandeha daholo anefa ny tolotra takian'ny fanovana miandry. saingy mila manomboka ho an'ny olom-belona sy ny firenena tian-kajoro.
heveriko fa ny fiaraha-mientan'ny rehetra no ahafahana misedra izany.mila hatsaraina koa manko ny niveau culturel ny fiaraha-monina mba hahatakarany ny fanamby atrehany.
dia eo isika izao fa mirary soa daholo
P.Recteur
Manohy-ho-vao
1981-1984
8 septembre 2014 03:10
P.Recteur
SFX, Lycée d'excellence:
mikendry ny avo hanampy ny ory...jereo ny tohiny