Recteurs nifandimby
(tondroy ny sariny)
1952 - 1954: Ny niatombohan'ny Kôlejy teo Ambatomena
Niankina tamin'ny Kôlejy Saint Joseph Ambozontany ny Kôlejy Saint François Xavier tany amboalohany, izany hoe talohan'ny taona 1951. Tamin'ny 1 Oktobra 1951 no napetraka ny vato fehizoron'ny Kôlejy. I Frera Ruyant, diso fantatr'i Fianarantsoa loatra noho ny asa fanorenana maro nataony; no nitantana izany niaraka tamin'ny Ekipany. Ka io trano hita maso mitandavana raha vao miditra ny vavahady io no naorina voalohany.
1955 - 1960: Nikopaka elatra ny Kôlejy - nisokatra koa ny sampana tekinika
Lasa Recteur i P Gilbert Ramanantoanina fa i P Marcel Chevrier indray no nandray ny toeran'ny Préfet.
1956: Nisokatra ny sampana Tekinika ka i Maopera Albert Renaut no nanokatra azy voalohany.
230 ny isan'ny mpianatra tamin'izay.
Ireto ny mpampianatra namaky lay tamin'izany:
Français: Ry Maopera Chevrier, Rogot, Hennion, Peter, Ghesquières. Ry Frera Jean Marie Verley, Joseph Razafimanantsoa, Solier, Sturel.
Malagasy: Ramose Philippe Rakotoarison, Randria Michel, René randria, Maopera Gilbert Ramanantoanina.
Mathématiques: Ramose Samuel Ratsimbazafy, Justin Rakotoniaina, René, Charles Xavier, Maopera André Engelmann (Baba).
Physique Chimie: Maopera André Engelmann, Justin Rakotoniaina.
Sciences naturelles: Maopera André Engelmann, Ramose Samuel Ratsimbazafy.
Histo-Géo: Ry Maopera Gilbert Ramanantoanina, Gérard, Guesquières, Rigot.
Economie politique: Frera Verley sy Canchémi.
Anglais: Maopera Renaut sy Guesquières.
Dessin: Maopera Renaut sy frera Strub.
Atelier: Ramose Raphaël Joseph.
EPS: Narcisse Andrianirainy.
1960 - 1966: Nitombo hatrany ny isan'ny mpianatra
I Maopera Alfred Dupont indray no lasa recteur.
1960-1961:
Teo amin'ny Grande salle no nasiana ny Seconde sy ny 1ère natao série M (M' sy M" mitovitovy amin'ny série C taty aoriana). Ny teny frantsay no teny nianarana fa ny malagasy kosa mbola natao safidy ihany (langue vivante).
1963:
Nasiana classe de 7ème spéciale, ho an'ireo afaka CEPE nefa tsy afaka 6ème.
1963-1964:
Nosokafana ny kilasy famaranana (terminales) amin'izay tsy mankany amin'ny Lycée Raherivelo Ramamonjy intsony ireo séries scientifiques. Efa niakatra ho 470 ny isan'ny mpianatra tamin'izay.
1966 - 1969: Nisokatra ho an'ny ankizivavy koa ny Kôlejy
Olona tia fanatanjahantena i Maopera Charles Rémi Rakotonirina, recteur nitondra ny Kôlejy nanomboka ny taona 1966.
1969 - 1977: Niandahy niambavy namboly voaloboka
Nahay nihaino ny mpampianatra sy ny mpiasa i P André Dupont. Nampiditra fomba fiasa vaovao tamin'ny fitantanan-draharaha teto amin'ny Kôlejy.
1977 - 1984: Notsinjovina manokana ireo zanaky ny tantsaha
Roa taona lasa izay, nanomboka ny taona 1975; no nisian'ny kihon-dalana ara-politika teto Madagasikara. Nanjary nanana heviny vaovao ny voambolana hoe "tolona". Nihetsiketsika ny Sekoly Katolika tamin'izany, nitaky ny zo sy ny satany mba hitovitovizana amin'ireo Sekolim-panjakana. Ny tamin'ny lafiny ara-bola indrindra moa no somary nahareraka ny Sekolim-pinoana. I Maopera Jérôme Ranaivomanana, recteur tamin'ireo fotoana ireo, no isan'ny niara-nitolona tamin'izany.
Teo amin'ny sehatry ny kolontsaina, dia namoaka ny Gazety TSELATRA ny Kôlejy, nahitana lahatsoratra, tantara an-tsary sy tononkalo izay nampivelatra ny talentan'ireo mpianatra.
Notsinjovina manokana ireo zanaky ny tantsaha, ka afaka nampiditra ny zanany tao amin'ny Kôlejy ny avy any ambanivohitra.
1984 - 1990: Miteny aho fa tanora, mijoro hiasa tsy himalo...
Tamin'ny andron'i Maopera Jean de la Croix Razafindraibe no namerenana indray ny fitantanana ara-bolan'ny Kôlejy tamin'ny Zezoita.
Raha samy nanana ny salles d'étude-ny ny tovolahy sy ny tovovavy hatramin'izay, dia nanomboka teo kosa no niarahan'ireo izay tao amin'ny kilasy famaranana salles d'études.
1985-1989: isan'ny fanatsarana natao ny fanamboarana ny Espace culturel sy ny Bibliothèque ary ny tranon'ny Communauté jésuite ao Kilovia.
1988: Tsy nidina nianatra taty amin'ny Kôlejy intsony ireo Seminarista fa nijanona tany Kianjasoa.
Mpanao mozika moa i Maopera ka dia natsangany ny Antoko mpihiran'ny Kôlejy, izy ireo no nihira voalohany ny hira faneva ankehitriny hoe "Miteny aho fa tanora"
1990 - 1996: Fanatsarana ny fampiofanana ny mpampianatra
Isan'ny fampandrosoana nentin'i P Nicolas Pesles ny fanatsarana ny fampiofanana ny mpampianatra tamin'ny alalan'ny pédagogie ignatienne. Tonga hatrany ivelany, tany Kenya ohatra, ny fandraisan'ny mpampianatra anjara tamin'ny fivoriana: Ramose Ralambozafy sy Rabotovao ary i P Nicolas Pesles rahateo no isan'izany.
1996 - 2002: Nohamafisina ny formation pédagogique
Anjaran'i Maopera Adolphe Razafintsalama indray ny nitantana ny Kôlejy. Ankoatra ny fianarana naha-Zezoita azy moa dia fantatra fa nanam-pahaizana manokana izy momba ny anthropologie. Noezahiny araka izany ny nampidirana ny fomban-drazana malagasy teo amin'ny fampianarana sy ny fiainana ny firaisam-pinoana.
Nohamafisiny ny "formation pédagogique."
Ny taona 1997, novaina ho salle d'étude-n'ny 6ème ny chapelle teo aloha.
2002 - 2008: Nanomboka namboly hazo isan-taona hanatsarana ny tontolo iainana
Ny taona 2002 ka hatramin'ny 2008 no nandraisan'i P Louis Augustin Rabotoson ny andraikitra naha-recteur azy.
Efa nahatratra 1460 ny isan'ny mpianatry ny Kôlejy tamin'izay.
Nanomboka namboly hazo isan-taona ny mpianatra tamin'izay mba ho fanentanana azy ireo amin'ny fitandrovana ny tontolo iainana.
2008 - 2012: Fanatsarana ny tontolon'ny Kôlejy
I Maopera Pierre André Ranaivoarison no recteur ny taona 2008 ka hatramin'ny 2012. Anisan'ny nampalaza an'ity Pretra ity ny asa fanamboarana sy fanavaozana tamin'izay toerana rehetra nanirahana azy ka niandraiketany.
Vao nandray ny andraikiny maha-recteur azy izy dia natombony ny asa fanatsarana ny tontolon'ny Kôlejy (2008-2009).
Ny taona 2009 dia nampidirina ny TUX, izay nampiharana ny pédagogie ignatienne ho fitsipi-piainam-pianarana eto amin'ny Kôlejy ary mbola mitohy hatramin'izao.
Ny taona 2010 kosa nosokafana ny Annexe SFX eny Antady.
2010-2011: Fampifandraisana ny Kôlejy Zezoita efatra eto Madagasikara amin'ny alalan'ny fanatanjahan-tena, nantsoina hoe SCOGEM: dia ny SFX Fianarantsoa; ny SMA, Saint Michel Amparibe Antananarivo; ny CIC, Collège Immaculée Conception ao Mananjary ary ny CFPB ao Bevalala Antananarivo (Centre de Formation Professionnelle de Bevalala). Ankoatra an'izay dia nasiana ny Ecole de Sport ho fanomanana ny hoavin'ny tanora amin'ny fanatanjahan-tena.
2012: Fanaovana lapivato ny tokontanin'ny Second cycle général.
2012 >>: Mitohy ny tantara...
Voatendry ho Prôvensialin'ny Fikambanan'i Jesoa (Zezoita) eto Madagasikara i Maopera Pierre André Ranaivoarison. I Maopera Prospère Ratovomananarivo indray no mandimby toerana azy ho recteur-n'ny Kôlejy Md François Xavier. Mirary soa ho azy isika mba hahatontosany ny asa fanabeazana sy fitaizana ireo tanora marobe izay iandraiketany miaraka amin'ireo Mpampianatra mpanabe sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra.