Md Ignasy sy ny nijoroan'ny Fikambanan'i Jesoa

Vavak'i Md Fransoa

Md Ignasy tao Loyola

Recteurs nifandimby

(tondroy ny sariny)

Ry Mpiara-dia

Tao amin’ny lapan’i Loiola, any amin’ny faritra Basque (faritra atsimo andrefan’i Frantsa mahazo ny faritra avaratr'i Espaigna) no teraka i Iñigo Lopéz de Loiola tamin’ny taona 1491.

Manam-boninahitra tao amin’ny tafika izy taty aoriana, ary nanana andraikitra tao an-dapan’i Navarre.

Ratra mafy nahazo azy nandritra ny fahirano nataon’ny frantsay azy ireo tao Pamplona tamin’ny 20 mai 1521 no nahatonga azy nampodiana tao an-dapan’ny Raiamandreniny.

Chateau de Loyola

Toy ny kibolahy voafandrika, ny lehilahy, ka ny nandrinandry ihany no nahazahoany aina. Tsy afa-nihetsika tam-pandriana tokoa manko izy noho io ratra mafy nahazo azy io. Ny fialam-boly hany azony natao, mba hamonoany ny androny; dia ny famakiam-boky. Tsy nanan-tsafidy anefa izy satria dia izay boky nisy tao amin’ny toerana nitsaboana azy no novakiany: "Ny Fiainan'i Kristy" sy ilay hoe "La Légende dorée" izay boky nitantara ny fiainan’ny olomasina sy ny zavatra nataony.

Tsy tamin’izany fivavahana izany mihitsy ny fiainan’i Iñigo, fa ny famakiana ireto boky ireto no nampisokatra ny masom-panahiny, ka nahatonga azy hanonofinofy mba hanao zava-dehibe toa an’i Kristy sy ny olomasina hitany tamin’ireo boky ireo.

“ Rehefa mandinika ny momba ny fiainan’izao tontolo izao aho, hoy i Iñigo, dia tena afa-po tokoa, fa rehefa vizana aho ka tsy mieritreritra ny momba izany intsony, dia henoko ho karankaina aho ary tsy afa-po; fa rehefa manonofinofy indray aho toy ny hoe handeha an-tongotra tsy mikiraro ho any Jerosalema, tsy hihinana afa-tsy bozaka, hiaina fahantrana toy ny nataon’ny olomasina, dia tsy vitan’ny hoe reko toy ny misy hery avy ao anatiko ao isaky ny mandinika toe-javatra mitovitovy amin’izay aho, fa na dia efa tsy any intsony aza ny saiko, dia mbola nijanona ilay fahafaham-po sy fientanentanana tato anatiko.

Izay toe-javatra izay no nanainga an’i Iñigo ho amin’ny lalan’ny fiovana, anisan’ny endrika ifotoran’ny “spiritualité ignatienne” taty aoriana. Ny fanapahan-kevitra noraisiny voalohany, dia ny handeha ho any Jerosalema, ho mpivahiny mahantra. 30 taona izy tamin’izay.

Nony sitrana izy dia nandao ny lapan’i Loiola, nandalo tao amin’ny Abbaye Benedictine-n’i Montserrat, nihazo an’i Manrèse, tanàna kely ao Catalogne. Efa ho herintaona maninjitra izy no nitoka-monina tao (marsa 1522 - fevrie 1523), nisantatra fiainana miaraka amin’Andriamanitra.

Indray andro teo amoron-dranon’i Cardoner, hoy indrindra izy:

“Nanomboka nisokatra ny mason’ny fisainako. Tsy toy ny fahitana anefa izany, efa betsaka ny zavatra fantatro momba ny fiainam-panahy, momba ny finoana sy ny fahalalana. Fa hazavana hafa mihitsy no hitako, ka nanjary toy ny zava-baovao tamiko daholo ireo rehetra ireo.”

Nanomboka teo, dia lasa toy ny olon-kafa mihitsy i Iñigo: fisainana hafa, tsy toy ny teo aloha intsony fa lasa olom-baovao, nifototra tamin’ny sori-dalan’Andriamanitra izay tohizan’i Kristy ao amin’ny Fiangonana. Tsy ny hitoka-monina intsony no faniriany, tsy ny hampian’olona fa ny hanampy olona. Nataony an-tsoratra tsikelikely teny, ireo zavatra niainany ireo; nihanatevina ka niendrika ho bokikely, dia ilay hoe "Exercices spirituels".

Mba hahalalany misimisy kokoa an’i Jesoa, dia ny handeha ho any Jerosalema no masaka tao an-tsainy nanomboka teo. Hizaha ny toerana nandalovan’io Jesoa io, mba hahafantarany azy bebe kokoa, dia i Jesoa ilay tiany halain-tahaka sady harahina rahateo.

Ny 29 mars 1523 izy no tonga voalohany tao Rôma, nangata-tsodrano tamin’ny Papa; vao nanohy ny diany indray ho any amin’ny Tany masina. Ny volana septambra izy no tonga tao Jerosalema.

Ny voalohandohan’ny taona 1524 izy no tafaverina avy tany Palestinina, dia nianatra ny teny latinina tao Barcelone, avy eo nianatra tany Alcala, sady nanomboka nampiely an’ity fomba fandinihan-tena sy fomba fivavahana hitany ity.

Nampiahiahy be ihany izany fombam-piainana notorian’i Iñigo izany, hany ka nampakarina tamin’ny Fitsaran’ny “Inquisition” tao Alcala izy tamin’ny 19 novembre 1526 (Ny Inquisition moa, raha hazavaina tsotsotra, dia Fitsarana nanadihadiana sy nanasaziana ireo izay nanohitra na noheverina ho nanohitra ny Fiangonana Katôlika tamin’ny taon-jato faha-13 tany Espagna, nanenjehena indrindra ny Jiosy sy ny Silamo niova ho katôlika, noho ny tahotra kanjo mbola nanohy an-tsokosoko ny fivavahan-drazany )… Mbola naverina notsaraina indray izy ny volana marsa 1527, ary nahiboka am-ponja mihitsy aza tamin’ny 18avrilin'io taona io, noho ity fahitana lazainy fa iainany ity. Mbola nahiboka am-ponja indray ny volana jiona noho izy nanoro hevitra tan-dapa vavy anankiroa mba handeha an-tongotra ho any Compostelle (toerana malaza fanaovana fivahiniana masina).

Nony afaka tamin’ny gadrany izy, dia toy ny leo monina ka nandeha tany Salamanque, niaraka tamin’ny namany vitsivitsy. Kanjo mbola nahiboka am-ponja faninefany indray, ary tsy noferana tsy hahazo hiresaka momba ny fahasamihafan' ny fahotana mahafaty sy ny fahotana tsotra.

Feno ny kapoaka, araka ny fiteny; nandao tanteraka an’i Espagna i Iñigo, nitodi-doha ho any Paris mba hiofana sy handalina ny Teôlôjia. Ny 2 fevrie 1528 izy no tonga tao, nipetraka taminà hôpitaly, nandalina ny teny latinina sy fianarana hafa (arts). Herintaona mahery taty aoriana, nifandray taminà mpianatra anankiroa izy, dia i Pierre Favre sy i François-Xavier, ary niara-nipetraka tamin’izy ireo. 23 taona izy roalahy ireto, i Inigo kosa efa 38 taona tamin’io.

Ela ny ela, nody ventiny ny rano nantsakaina, nahazo ny diplaoma bachelier ès Arts izy tamin’ny volana janoary 1532. Nitombo ihany koa ny isan’ireo namany satria namonjy azy ireo koa i Simón Rodriguez, mpianatra avy tany Portugal, tamin’ny volana ôktôbran’io taona io.

Ny volana marsa 1533, nahazo ny “Licence ès Arts” indray izy. Nanomboka teo no nanovany ny anarany ho amin’ny teny latinina, lasa hoe “Ignatius”. Napetrany tamin’i Pierre Favre ilay boky “Exercices spirituelles” nosoratany.

Nahazo namana vaovao indray ry zareo satria nisy telolahy hafa nanampy azy ireo dia i Diego Laynez, i Alonso Salmerón ary i Nicolás Bobadilla, samy mpianatra avy tany Espagna.

Samy nafana fo tamin’ity fomba fiainana vaovao niarahany ity, izy fito mirahalahy ireto, no nifandinika ny amin’izay tokony hataon’izy ireo dia ny hiaina ny fahantrana mba hanompoana ny olona amin’ny alalan’ny firosoana ho pretra. Ny tena novinavinain-dry zareo, dia ny ho any Jerosalema, raha tsy izany, hoy izy ireo, dia hankany Rôma, hiseho any amin’ i Papa ka dia halefany any amin’izay toerana heveriny fa tokony handefasana azy ireo, mba ho voninahitr’ Andriamanitra ary ho famonjena ny fanahin’ny olona.

Nifametra-teny fa samy hanao izay hahatongavany any Venise ry zareo, ary any no hifampiandry. any rahateo moa no toerana fiondranana an-tsambo raha handeha ho any amin’ny Tany masina, tamin’izany. Ary herintaona aorian’ny fahatongavana ao Venise farafahatarany no tsy maintsy hiondranana.

Ny marainan’ny 15 aogositra 1534, niakatra teny Montmartre izy fito mirahalahy, toerana misy ny Fiangonan’i Fo Masin’i Jesoa ao Paris. Tao no namehezan’izy fito mirahalahy ny vinavinam-piainana nifametrahany fa harahina, tamin’ny alalan’ny voady izay nataony teo anatrehan’Andriamanitra; nandritra ny sorona masina notarihin’ i Mompera Pierre FAVRE vao nohamasinina telo volana talohan’io, ny 30 mey 1534. Nitohy indray ny fiainana andavanandro ny ampitson’io.

Basilique du Sacré-Coeur de Montmartre (Paris)

Ny taona 1535, narary i Ignasy ka nasain’ny mpitsabo niala sasatra aloha. Ny 15 marsa 1535, azony ny farim-pahaizana

“Maître ès Arts”. Ny faran’io volana marsa io ihany anefa, dia mbola nalain’ ireo tompon’andraikitry ny “inquisition” am-bavany indray izy, hanazava ny ’momba ity hevi-baovao sady hafahafan’ny “Exercices spirituels” ity.

Na dia teo aza izany fiahiahiana samihafa izany, dia mbola afaka nifanome fotoana izy rehetra ny voalohandohan’ny taona 1537. Nahazo namana telolahy vaovao indray ry zareo: dia i Claude Jaÿ avy any amin’ny faritr’i Savoie, i Paschase Broët avy any Picardie,, ary i Jean-Baptiste Codure, avy any Provence; samy “frantsay” daholo izy telolahy ireto.

Nifankahita tao Venise izy rehetra ny 8 janoary 1537. Ny 24 jiona kosa, dia nohamasinin’i Eveka Vincenzo Negusanti ho pretra i Ignasy sy ireo 5 mirahalahy sisa tsy mbola voahasina, marihina moa fa i Pierre Favre dia efa voahasina tany Paris, telo taona lasa izay.

Nafotaka anefa ny ady teo amin’i Venise sy i Torkia, hany ka tapaka ny lalana, tsy nisy afa-nandeha ho any amin’ny Tany masina intsony. Voatery niandry ny rariny teo ry zareo, ary nandritra izany fiandrasana izany no nifanarahan’izy ireo ny amin'izay anarana hoentiny, dia ny hoe: “FIKAMBANAN’I JESOA”.

Tampina ny daomy, hoy ny mpanao vazivazy. Na izany aza dia nisy kosa ny andro nihiratra satria ny 13 ôktôtra 1537 tokoa manko, dia novakian’ny solontenan’ny Papa am-pahibemaso tao Venise fa tsy marim-pototra avokoa ireo fanenjehena rehetra izay natao an’ i Ignasy sy ireo namany. Ny 18 novambra 1938, dia mbola nohamafisina izany tamin’ny alalan’ny faneren’i Papa Paoly III ny Governoran’i Rôma tamin’izany, mba hamaky am-pahibemaso ny didim-pitsarana izay tsy manameloka an-dry Ignasy sy ny namany ho mpioko sy mpivadika amin’ny Finoanan’ny Fiangonana.

Tapi-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato tao Venise anefa ry zareo. Na izany aza, dia efa novinavinainy hatrany am-boalohany ity mety ho trangan-javatra ity, hany ka tsy tampoka izy ireo fa nifampizara, nandeha tsiroaroa nanerana an’i Italia. Araka ny teny efa nifametrahany tany Montmartre (Paris) anefa, dia tany Rôma no “tanim-boanjo” voafidin’ izy ireo fa hihaonana. Tafaraka tany tokoa izy rehetra tamin’ny Pakan’ny taona 1538. Niara-tonga i Ignasy sy i (Jacques) na Diego Laynez ary i Pierre Favre.

Indray andro, lasa nandeha nivavaka tao amin’ny lasapelin’ny La Storta, toerana sahabo ho 15 km miala ny tanàna i Ignasy no nahazo fahitana izay azony antoka tanteraka tsy amim-pihambahambana ny fisiany. Zendana sy niahiahy be ihany ireto namany, nefa dia novaliany am-pahatsorana hoe:

"Azoko antoka fa i Kristy nilanja ny Hazofijaliany mihitsy no hitako, ary Andriamanitra Ray nijoro teo akaikiny sady niteny taminy hoe:

- ' Tiako ho raisinao ho mpanomponao koa ity lehilahy ity'.

niteny tamiko i Jesoa avy eo nanao hoe:

- 'Tiako ho mpanomponay ianao'.

Tafavory tao Rôma daholo izy rehetra, ary namerina ny voady izay nataony tany Montmartre indray. Tamin’ny volana novambra 1538 izy ireo no noraisin’i Papa Paoly III, ary nametra-teny taminy fa handeha hitory an’i Jesoa any amin’izay toerana rehetra heveriny handefasana azy.

Na izany aza, dia tonga tao an-tsain’ izy ireo ny mety ho fisarahan-toerana noho ny iraka izay mety handefasana ny tsirairay. “Efa natambatry ny Tompo isika, hoy izy ireo, na dia samy hafa firenena niaviana sy samy manana ny toe-tsainy mbamin’ ny kolontsainy aza; koa ny tsara ho antsika dia ny mifamatotra ho iray, ka tsy hisy haharava antsika na ny fisarahan-toerana na na ny halaviran-tany.”

Nanapa-kevitra ireto mpinamana fa hajoro nanomboka teo ny SOCIETAS JESU (io ilay SJ ahafantarantsika ny Fikambanan'i Jesoa, ny Zezoita), napetraka teo am-pelatanan’i Papa Paoly III ny taratasy fampijoroana izany, ary nankatoaviny ho fikambanan-drelijiozy ny 27 septambra 1540. Efa indroa i Ignasy no nofidian’ireo namany ho filohan’ny Fikambanana, nefa nandà hatrany izy. Ny 17 avrily 1541 dia mbola izy ihany no nomen’ireto namany ny fitokisany ho Filoha hitantana ny Fikambanana, tsy afa-nandà intsony ny lehilahy.

Ny nandraisan'i Papa Paoly faha-III an'i Ignasy sy ireo namany

Ny 22 avrily, nanao ny famehezan-tena indray ireo enin-dahy sisa tavela tao Rôma, ny sisa kosa nanao izany tany amin’ny toerana izay efa nanirahana azy ireo.

Nanomboka io taona 1541 io, dia nipetraka taminà trano iray efa antitra tao Rôma i Ignasy, tsy lavitry ny fiangonana nasaina niadidiany, dia ny Notre Dame de la Route. Afaka nanitatra ihany ry zareo taty aoriana.

Ankoatra ny asany tao amin’ny paroasy, dia ny fanoratana ny Lalam-panorenenan’ ny FIKAMBANAN’I JESOA no nimasoan’i Ignasy. Tsy voasorany hatramin’ny farany anefa izy io, ary dia notohizan’ny taty aoriana, nanjary asa mitohin’ny Fikambanana, nampidirana ny fanamarihan’ny mpikambana ary nijerena ny traikefa vaovaon’ny Fikambanana.

Betsaka ny toerana nitadiavan’ny Fiangonana olona, tsy ny tany Eorôpa ihany fa tany Azia sy Afrika, ary i Amerika ihany koa: Manam-pahaizana momba ny Teôlôjia, nilaina hanomana ny Kônsily tany Trente ohatra; olona hafa hiatrika ny “fanavaozana” notorian’ny mpitondra fivavahana sasany, izay niteraka ny fisaraham-bazan’ny fiangonana taty aoriana; olona hampianatra ihany koa….

Ampolony isan’andro ny taratasy nalefa avy tao Rôma, ho an’ny tanàna maro tany Eorôpa, ny sasany nalefa tany Inde ary nipaka hatrany Japon aza. Izay toerana efa nisy ny “Zezoita tamin’izany”. Maherin’ny 6000 ny taratasy fantatra fa nalefa.

Na dia teo aza izany asa rehetra tamin’ny Fikambanana izany, dia tsy nataon’i Ignasy ho ambanin-javatra ny asa fitorian-teny sy ny fizaràna ny sakramentan’ny fampihavanana. Nanorina asa fanasoavana maro koa izy, toy ny fananganana trano nandraisana ireo katekiomenina Jiosy sy “mahométans” (silamo, hoy ny filazantsika azy ankehitriny), teo ihany koa ny fikarakarana trano ho an’ireo vehivavy tsy nanan-kialofana, ireo mahantra sy gadra lava tamin’izany…

Tratry ny havizanana tafahoatra ny lehilahy tamin’ny volana jolay 1556, fijaliana nandreraka azy mafy. Mbola nahasoratra taratasy ihany izy ny 30 jolay. Ny ampitson’io kosa, tsy nahatana intsony ny ainy fa nodimandry izy teo amin’ny faha 65 taonany.

Ny 12 marsa 1622 izy no nasandratry ny Fiangonana ho olomasina niaraka tamin’i Md François Xavier sy Mb Thérèse d’Avila.

Ny Tranonkala SFX Fianara

31 jolay 2015

Tantatara nalaina avy tamin'ny: http://www.jesuites.com/ignace/

http://www.jesuites.com/2011/09/chronologie-en-images-de-lhistoire-jesuite-mondiale-1/