Recteurs nifandimby
(tondroy ny sariny)
Maopera Rabotoson, maty namela mamy toy ny renintantely
Araka ny efa fantatsika dia nodimandry tamin’ny talata 11 febroary 2014 lasa teo i Maopera Louis Augustin Rabotoson. Somary narofirofy ara-pahasalamana izy, araka ny nandrenesana azy, nefa tsy mbola nisy nieritreritra ny hoe izay aretiny izay no hahafolaka an-dantony azy, satria tsy mbola izy no olona antitra ka nahiana ho lasa taloha. Olombelona moa isika ka manao fihevitr’olombelona. Hafa ny fandaharan’Andriamanitra: Izy no nanome, Izy ihany koa no maka.
Mahaliana ny maro ny mba te-handre izay nitranga nandritra ny fotoana nanaovana ny adidy farany tamin-dRatompokolahy. Ireo izay tonga, marobe tokoa, nanao ny farafanagnana azy moa, tsy hoe ny zoto no nanosika azy ireo; ary ny tsy afaka kosa, tsy hoe fahalainana no tsy nahatongavany. Fa noho ny toerana tsy an-tanin-draika,dia ny vetsovetso no nandeha ka niombom-po amam-panahy tamin’ireo fianakaviana nipoirany sy ny Fikambanan’i Jesoa, nanokanany ny fiainany mandrapahafatiny,
ary ireo tapaka sy namana, ireo nandray ny soa sy ny fanampiana avy taminy.
Nanao toy ny fahafatesan’ny renintantely tokoa izy ka maty namela mamy.
Raisina ho adidy tokoa àry ny hampahafantatra ny momba izay nitranga araka izao
fizarana roa manaraka izao :
(1) ny fandevenana sy ny manodidina azy ;
(2) Mompera Rabotoson, zezoita sy mpanabe
1. Ny Fandevenana sy ny manodidina azy
Ato amin’ny Fikambanan’i Jesoa, hatramin’izao, rehefa misy mpikambana nodimandry, na eto Antananarivo na any amin’ny faritany dia mifamory ka miara-manolotra sorona masina ho an’ny fialan-tsasatry ny fanahin’ilay nodimandry no sady fisaorana an’Andriamanitra ihany koa. Mandrakariva ny toerana anatanterahana an’izany dia ao
amin’ny trano Md Jôsefa Analamahitsy ary amin’ny 8 ora alina mandrakariva.
Tanteraka tsy nisy tomika izany fomba izany tamin’izao fahalasanan’i Mompera
Rabotoson Louis Augustin izao. Raha nametraka ny aina teo am-pelatanan’Andriamanitra i Mompera tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ny talata 11 febroary 2014, dia tamin’ny alin’ io talata io ihany tokony tamin’ny 8 ora alina dia efa nisy fanolorana sorona masina tao amin’ny lasapely Md Jôsefa Analamahitsy. I Mompera Jean Romain Rafanambinana sy i Mompera Gabriel Razafindriamahela no nitarika azy ary notronin’ireo pretra am-polony niara-nankalaza ny sorona masina. Marihina fa ny harivan’io talata io dia efa tonga teto amin’ny trano Md Jôsefa Analamahitsy ny razana. Ny ankohonam-piainana nisy
azy rahateo tamin’izao faran’ny andro niainany izao dia teto Analamahitsy, «communauté notre Dame de la Strada » ka tao amin’ny « Edition Ambozontany» (ao Analamahitsy -Antananarivo io) izy no nipetraka. Tamin’io alina io dia
efa betsaka ireo relijiozy sy kristianina teto amin’ny manodidina no tonga nidodododo niara-ory sy niombom-bavaka.
Ny alarobia 12 febroary 2014, nandritra ny andro dia maro ireo kristianina, ny tapaka
sy namana, ireo nahafantatra azy, fianakaviana isan-tokony, relijiozy lahy na vavy no tonga nitsapa alahelo sy naneho ny mari-panajana farany noho ny fanagnana an’i Mompera. Vao hariva ny andro dia nihatonga ireo lafim-pianakaviana avy tany Mahaditra-Moralina sy ireo fianakaviana avy tany Fianarantsoa sy izay nifandray akaiky taminy fahavelony. Niara-dalana tamin’izany koa ireo havana aman-tsakaiza, ireo rahalahy zezoita ary mpiara-miasa taminy fahiny, avy amin’ny faritra ivelan’ Antananarivo toa an’i Toliary, Fianarantsoa, Ambositra,
Mahajanga, …Nitohy ny fahatongavana hatramin’ny alakamisy maraina.
Ny sorona masina tamin’ny 8 ora alina tamin’io talata io dia tena nahavory olona maro tokoa. Feno hipoka ny lasapely. i Mompera. Barnabé Ramahatradraibe sy i Mompera Joseph Rabenirina no niara-nitarika an’izany.
Araka ny fandaharana efa voalamina dia ny alakamisy 13 febroary 2014 tamin’ny 10
ora maraina no voatondro ho fotoana fampidirana am-bata ny razana. Voahaja ny fotoana ary afa-nanatrika an’izany ny fianakaviany akaiky. Taorian’izany dia nitanjozotra nankany am-piangonana EKAR Fanahy Masina ny rehetra.
Nanomboka tamin’ny 10h45 ny Sorona Masina fisaorana sy fanankinana
an-dRatompokolahy amin’Andriamanitra. I Mompera Jean Romain Rafanambinana no nitarika ny fotoam-pivavahana. Nanao tsiahy mafonja mikasika ny dingam- piainan’i Mompera hatrany amin’ny seminera zandriny ka hatramin’ny sehatr’asa nanirahana azy farany (Maison des Editions Analamahitsy) izy. Voasongadina manokana tamin’izany fa olona nanana talenta sy fanomezam- pahasoavana maro tokoa izy. Santionany manokana tamin’izany ny mahampamoron-kira azy, mpanao tononkalo, mpanoratra, mpanao seho an-tsehatra,
mpitantana ara-panahy, mpanentana sy mpitarika, I Mompera Gervais Razafitoazaza, Vikera Jeneralin’ny Diosezin’i Fianarantsoa, no niara-nitarika ny lamesa taminy, ary i Mompera Rakamisy, izay fianakavian-dRatompokolahy, no nitarika ny “absoute”. Tonga tao ihany koa i Mompera Rasolo Georges, Vikera Jeneralin’ny Diosezin’i Toliary. Pretra niisa 75 eo ho eo no niara-nanolotra ny Sorona Masina ary tsy tambo isaina ny relijiozy: feno ny fiangonana.
Teo am-pamaranana dia nandray fitenenana ny solontenan’ny Diosezin’ Antananarivo
sy ny Paroasy Analamahitsy. Nanao toy izany koa ny solontenan’ny fianakaviana. Nanohy avy eo ny solontenan’ny Diosezy Fianarantsoa sy Toliary. Namarana sady nisolotena ny Fikambanan-i Jesoa i Mompera Barnabé Ramahatradraibe nanao ny teny fisaorana ho an’ny rehetra.
Vahoaka maro no mbola tonga teny Ambohipanja nanatitra an-dRatompokolahy tamin’ny toerana iandrasany ny fitsanganan-ko velona. I Mompera Raphaël Rakotondrasoa kosa no nitarika ny fotoam-pivavahana teny amin’ny fasana ary i Mompera Joseph Rabenirina no namerina fisaorana ny rehetra teo am-pamaranana.
Voninahitra ho an’ny velona no maro mpanotrona ary haja amam-boninahitra ho an’ny maty ny maro mpandevina. Tena pretra marina tokoa i Mompera Rabotoson Louis Augustin satria maty amin’ny maha-pretra azy izy. Entina ilazana koa fa azo iainana ny fiainana maha-pretra e. Tanteraka ny fikasany sy ny faniriany ary izay maha-pretra izay no niezahany sy nimatematesany fahavelona. Lalana nizorany hatramin’ny farany izany. Maty teo am-perinasa tokoa raha i Mompera Rabotoson, satria maty tamin’ny naha-pretra azy tokoa izy. Tapitra ny tantarany. Isika velona no aoka koa samy handinika sy hieritreritra. Tombon-dalana ny azy
fa mbola samy ho tonga daholo ihany koa ny anjaran’ny tsirairay. Volivarin’Andriamanitra tokoa mantsy ny olombelona ka izay tiany no alainy. Ny asany sy ny nataony anie no hanaraka azy.
Mandria am-piadanana Mompera a!
2. Mompera Rabotoson, Zezoita sy Mpanabe
Tamin’ny 6 mey 1947 izy no teraka tao Mahaditra. Niditra tao amin’ny Seminera zandriny tao Kianjasoa, nianatra tao amin’ny Kôlejy Md Fransoa Xavier, ka tao no nahazoany ny baccalauréat. Niditra teny amin’ny Noviciat-n’ny Zezoita izy ny 18 ôktôbra 1969. Nianatra filôzôfia teny Tsaramasoandro, trano fiofanan’ny Zezoita eny Ambatoroka Antananarivo. Avy eo nanohy tany Rôma, fianarana ny Teôlôjia tao amin’ny Université Grégorienne (Pontificia Università Gregoriana); sy fiofanana hafa tany Belzika.
Ny Kôlejy SFX Fianarantsoa
Raha ny Kôlejy Md Fransoa Xavier manokana, dia tena
fantany tsara tokoa, satria tsy vitan’ny hoe nianatra tao izy taloha, fa nanabe sy nitaiza ireo mpianatra nankinina taminy nandritra ny fotoana nanatontosany ireto andraikitra samihafa ireto:
• 1977 -1979 : Préfet -n’ny 1er cycle.
Anisan’ny nahatadidiavan’ny mpianatra azy tamin’izany ny fitiavany fanatanjahan-tena, ary anisan’ny nikoizana izy teo amin’ny Volley-ball. Ny “boay kely” moa tamin’izay dia efa nahatsapa fa nanana fijery hafahafa izay izy, fijerin’olona nampatahotra, nefa toa fijerin’olona te-hihomehy, fijerin’olona toa menamenatra. Sady tsy nanao Ramatahora anefa izy, no tsy menamenatra izany fa hainy ny nampiaraka ireo endrika samihafa ireo teny aminy; hany ka ny zavatra sisa tena nipetraka tadidy taminy, dia ny torohevitra nomeny, ny teny fananarana nahatonga saina tokoa.
Tamin’ny 20 septambra 1982 izy no nohamasinina ho pretra, roa taona taorian’izay no nandraisany any asan’ny Préfet -n’ny 2nd cycle ( 1984 -1988 )
23 février 2002 – 31 juillet 2008: Recteur tao amin’ny Kôlejy Md Fransoa Xavier tao Fianarantsoa (2002-2008).
Eto isika mpamaky no samy hahatsiahy ny vanim-potoana nandalovantsika tao amin’ny kôlejy raha toa ka nifanojo tamin’ny izy tao; nanovozantsika
fahalalana amam-pahendrena ary fitaizana ara-panahy.
Tsy very anjara manokana ankoatra ireo mpianatra ny naha-Raiampanahin’ny Antilin’i Madagasikara azy tao amin’ ny Fivondronana Helder Camara. Isika antily izay notantanany sy niara-niaina taminy dia afaka mampita sy mizara izay tsiahy azo ifampizarana
ihany koa.
Andraikitra hafa nosahaniny
Ivelan’ireo vanim-potoana ireo dia betsaka ny zavatra efa niandraiketany, ka raha tanisaina dia ireto:
- Mpiandraikitra ara-panahin’ ny mpianatra (Aumônier) teny amin’ny anjerimanontolo tao Antananarivo.
-Tompon’andraikitra voalohan’ ireo zazavaon’ny
fikambanana dia ny nôvisy izany.
- Provinsialin’ ny Fikambanan’i Jesoa.
- Mpitantana ara-panahy sy mpampanao laretirety tany Mahamanina Fianarantsoa.
- Ary lehiben’ny ivon-toeran’ny fiainam-panahy Md Ignasy Analamahitsy Antananarivo.
- Ivelan’ireo dia nantsoina hanao valan-dresaka samihafa tetsy sy teroa indrindra teo anivon’ireo relijiozy vavy na lahy.
Nanan-talenta tokoa izy satria sady nanoratra no namorona hira: hira masina sy kalokalo feno fampisainana sy anatranatra. Ary tsy very tadidy ka tsy afaka tam-bavan’ny mpianatra tamin’ny izy mbola Préfet des études tao amin’ny second cycle; ny hira VARY MAITSO, nohirainy niaraka tamin’ny chorale SFX tamin’izany. Io VARY MAITSO io, nanjary anarana nentin’ny promotion Terminale 1983-1984.
Raha atao koa ny kajikajy tsotsotra dia 12 taona be izao izy no nanabevoho ny kilonga sy ny tanora teo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fitaizana.
Raiampanahy tsotra, mpihaino olona ary mpanome torohevitra no nahafantaran’ny maro azy. Samy nahatsapa izany izay mpianatra rehetra nandalo teo aminy, na olona nifampikasokasoka taminy.
Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny fahasoavana nomeny antsika tamin’ny alalan’ity Raiamandreny namolavola sy niahy antsika ity.
Fifampizarana moa izy ity, ka mba anisany tao anatin’io roambinifolo tao io ve ianao ?
Toy ny dian’omby hono ny fiainana ka izay diavin’ny ao aloha no diavin’ny ato afara. Vanim-potoana hieritreretana sy famakiana ny lasa tokoa ny fitodihana amin’ireo daty
voalaza eo ambony ireo ary hitsinjovana ny ho avy . Ka moa ve dia handraraka ilo
mby an-doha isika nanovo fahalalana am-pahendrena sy fitaizam-panahy tao anatin’io roa ambinifolo taona io ?
Ny ohatra nomen’i Mompera Louis Augustin Rabotoson antsika sy ny hafatra napetrany anie tsy hijanona ho tsiahy mahafinaritra sofina sy fitadidiana fotsiny, fa hiezahantsika hiainana tanteraka, ary hampitaintsika amin’ireo zandry izay mbola eo an-dalam-piofanana ao amin’ny Kôlejy SFX , izay tsy nahafantatra azy.
« Izay miondrika ihany no vokatra e ,vary maitso eny ambalam-parihy…
Miondreha ka mieritrereta fa ianao no manam-panahy” »
P Léon Fidelis RAZAFIMAMONJIARISON sj
(raha tsy misokatra ny vidéo, dia asio "Adobe Flash player" ny solontsaina ampiasainao)
P Louis Augustin
RABOTOSON,
maty namela mamy
Raha tapatapaka ny fivoakan'ny sary sy feo dia tondroy ireto
PS: Toy ny vato anivon-drano, maina miara-maina, ary lena miara-lena. Noho ity fahoriana nidona tamin' ny nandaozan'i P Rabotoson antsika ity, dia nandefa teny fampiononana sy fankaherezana ho an'ny fianakaviany isika eto amin'ny tranonkala SFX, araka io hitantsika ao amin'ny takila fandraisana io.
Namaly antsika i Maopera Provincial, dia i P Pierre André RANAIVOARSON sj, ka indro omena antsika eto hifampizaràna:
Misaotra amin'ny fiombonana am-bavaka noho ny nahafatesan'i Mompera Louis Augustin Rabotoson.
Enga anie izy hivavaka ho antsika any an-danitra hampamokatra ireo soa nafafiny rehetra teto an-tany.
Mankahery anareo rehetra nandray soa taminy koa aho.
Ny Tompo nitsangan-ko velona hankahery anareo
P. Pierre André Ranaivoarson, S.J
Provincial 12 février 2014 16:48