Masindahy Fransoa Xavier

Md François Xavier

Espaniola i Fransoa Xavier. Teraka tamin'ny taona 1506. Nandrato fahaizana haisoratra tany Paris, dia niara-dalana tamin'i Masindahy Ignace de Loyola, nanorina ny fikambanan'ny Reliziozy Zezoita. Niomana ho pretra tany Rôma i Fransoa Xavier ary nirotsaka nanao asa fanasoavana, asa fitiava-namana maimaim-poana.

Nandeha niatsinanana nitory an'i Jesoa Kristy, Vaovao mahafaly, izy hatramin'ny taona 1541 ka hatramin'ny taona 1552. Tany Inde aloha izy dia tany Japàna nampahalala an'i Jesoa Zanak'Andriamanitra ka nampibebaka olona maro be tokoa. Nodimandry tao amin'ny Nosy Sinoa atao hoe Sancian izy tamin'ny taona 1552.

Inona no mety mba hanaitra kelikely antsika maintimolalin'ny S.F.X manodidina ity olomasina ity ? Toe-javatra roa ao anatin'ny maro no mba tiako hisarihana ny saintsika. Voalohany dia "tsara fiafara" i Masindahy Fransoa Xavier. Safidy malalaka noraisiny ny handeha lavitra dia lavitra hitory sy hampahalala fa i Jesoa Kristy ihany no MPAMONJY ny olombelona rehetra eran'izao tontolo izao. Tsy maintsy nanam-pinoana sy be fitiavana an'Andriamanitra Ra-S.F.X fa raha tsy izany nipody an-dàlana tsy honotody tonga tany India sy Japàna lavitry ny Tanindrazany sy reliziozy rahalahiny iray fikambanana taminy. "Tsara fiafara" izy satria maty am-perin'asa teo am-pitoriana ny anaran'i Jesoa Kristy. Tsara fiafara isika rehefa tsara fiomanana hihaona amin'Andriamanitra nahary antsika tsirairay.

Ny toe-javatra faharoa azontsika tsirairay sintonina amin'ny fiainan'i S.F.X dia ny hery nanosika azy nandeha lavitra amina tany tsy fantany hampahalala fa misy Andriamanitra ary Fitiavana no fiantsoana azy. Ka ny "hery nanosika" azy hitory ny Evanjely dia ny tenin'ny... Evanjely io ihany. Ity àry io tenin'i Jesoa, novakiany tao amin'ny Evanjely io, nandresy lahatra azy hiroso hitory ny Finoana kristianina lavitra an'i Espainina, Paris sy ireo Anjerimanontolo -- azony nofidiana hampianarana fa olona mahay sy nandalina fahalalàna izy : "Inona no soa azon'ny olona raha eo am-pelantanany avokoa izao tontolo izao kanefa very ny fanahiny ?" (Mk 8,36).

Mirary soa antsika maintimolaly aby àry handroso hivoatra hihatsara amin'ny lafiny rehetra ho toy ny divay vokatry ny voalobok'Anjamana (taloha) ka arakaraky ny ahazoany taona no vao mainka mahatsara azy. Io tenin'i Jesoa nanaitra manokana an'i Md Fransoa Xavier io koa mba hanaitra sy hanentana antsika amin'izay ataontsika aby !

Tratry ny fetin'i S.F.X !

Mompera Delphin E. RANDRIANDRINA

Masindahy Fransoa Xavier

RY MPIARO MASINA

(- Hira fanevan'ny Kôlejy Md François Xavier Fianarantsoa:)

Md François Xavier

Pretra Zezoita

Recteurs nifandimby

(tondroy ny sariny)

Samy arahabaina e!

Sary nandritra ny Lamesa fankalazana ny fetin'i Md François Xavier ny 3/12/2013...kilikeo ny sary

https://drive.google.com/file/d/0B9pXRoREoGnrT2VObExtdk5iSTQ/edit?usp=sharing
https://drive.google.com/file/d/0B9pXRoREoGnreXFkcmFsc05BZlk/edit?usp=sharing
https://drive.google.com/file/d/0B9pXRoREoGnrQjI1SmZ6cGIzTTg/edit?usp=sharing