Md François Xavier
Pretra Zezoita
Recteurs nifandimby
tondroy ny sariny)
Md Ignace de Loyola
RY MPIARO MASINA
Hira fanevan'ny Kôlejy Md François Xavier Fianarantsoa
IREO MPANABE
03 desambra 2017
Samban-draha, nifanao fotoana tao amin'ny chapelle-n'ny Communauté St François Xavier tao Paris, 42 rue de Grenelle, ny Maintimolaly vitsivitsy. Niara-nanolotra Sorona Masina, nankalazana ny fetin'i Md François Xavier; sady fisaorana an'Andriamanitra noho ny faha-65 taonan'ny Kôlejy KMDFX ao Fianarantsoa.
Pretra maintimolaly SFX ihany koa no nitarika izany Sorona Masina izany, dia i Mompera Benjamin Rabemanantsoa msf. 24 mianaka izahay no niara-nivavaka tao: Masaka ny hira na dia tsy nisy zava-maneno nanaingoana azy aza.
Taorian'ny Lamesa, dia niaraka nifandom-bera, natao ny fifankahafantarana: Ny zandriny indrindra tonga teo, promotion 2013, ary ny zokiny indrindra kosa dia promotion 1970. Niezaka ny mba ho nifankahafantatra bebe kokoa ny rehetra. Izay nifankahatadidy moa dia namerina ny tantara niainany fahiny tao amin'ny Kzavie, voaresaky ny zokinjokiny avy hatrany Ry Baba, sy ry Beloha...
Raikitra ny adihevitra, inona àry no hatao? Aleo asiana fihaonana hafa mba hahafahantsika mandinika izay tokony sy mety ho azo atao.
Talohan'ny nisarahana àry dia nifametra-teny ny rehetra fa hiezaka ny hifandray mba hifankahalalana bebe kokoa. Samy resy lahatra fa tokony hijoro isika. Notapahina àry fa dia hasiana fihaonana amin'ny alahady 3 fevrie 2018.
Misaotra antsika rehetra nahafoy fotoana, namono andro nahafahantsika nihaona. Isaorana manokana ianareo izay avy lavitra, "nagnenga fandia" nanao mihoatra ny arivo kilometatra mihitsy (mandroso sy miverina) ny sasany noho ny fitiavanareo, satria ny havan-tiana tokoa tsy mahalavi-tany.
Calixte Razafimahatratra
PS: Nisy mailaka nalefanay tamin'ny anarantsika tamin'iny alahady 3 desambra iny, ho fiarahabana an'i Mompera Recteur sy ny Kôlejy SFX manontolo.