Veloma tsa mandrara hoandry, sakafo tsa mandrara vatsy.
Araka ny efa voalaza matetika ato amin’ireto takila ireto, dia ny fahatsapan’ ny mpanorina an’ity tranonkala ity fa anisan’ny nahazo soa maro tamin’ny fanabeazana notovoziny tao amin’ny Kôlejy no nanosika azy hamorona ity toerana noheveriny fa hahafahan’ny samy Kzavie mifandray indray ity, hamelombelona ny tsiahy taloha; hifampizarana traikefa amin’ny lafiny rehetra: ny ara-batana sy ara-tsaina, ary ny ara-panahy.
Raha ny momba ny finoana no resahina dia tsy afaka ny hiteny lango imason’ny vary ny mpanoratra fa betsaka amintsika ny nanokan-tena hitory teny sy nandalim-pahaizana momba an’izay: ao ny pretra na relijiozy lahy sy vavy. Ao koa anefa ny lahika nandalina ny momba izany.
Fifampizarana no tiana hatao eto: ny fahaizanao izay nandalina ny Teolojia sy ny Soratra Masina, sy ny hafa koa; dia ho raisina an-tanan-droa satria tena hanampy ny mpamaky izay te-handalina ny finoany izany. Ny fiainam-panahy anefa dia azo antoka fa tsy resaka diplaoma, ka ny traikefan’ny tsirairay izay hifampizarana eto dia tsy ho latsa-danjan’izany. Samy hahita ny tandrify azy ny rehetra amin’izay.
Nisy ny tenin’i Elitave manao hoe : “...Ny resaka "ara-panahy" no hitako hoe azo avela satria raha ataoko sangisangy zary tenany dia hoe : " efa be ny "sakafom-panahy" azontsika tao amin'ny SFX sy ny azontsika mandrak'izao any am-piangonana sns, ka rehefa tsa ho masina amin'izay dia efa tsa izy koa !!! ". Dia izao kosa no mba fijeriko azy: ”viloma tsa mandrara hoandry ireo, ary sakafo tsa mandrara vatsy”, izany hoe na dia zava-nisy tokoa ny fandalinam-pinoana hatramin’izay, dia tsy mahasakana antsika tsy hifamelombelona ny finoantsika izay, hifampizara ny fiainam-panahintsika ka hampiaina ny finoantsika aloha, ary ny fizaràna azy amin’ny hafa avy eo, dia antenaina fa hampihetsika ny an’izay somary natoritory noho ny antony maro samihafa.
Tsy afaka ny hanery olona isika ny amin’izay, satria na Andriamanitra aza anie ka tsy afaka manery ny olombelona hino sy hivavaka aminy. Ny hataontsika eto amin’ny tranonkala, dia ny fiezahana hanao izay ho takatry ny saina sy ny hoenti-manana. Andriamanitra no itokiantsika sy ivavahantsika hampamokatra azy, satria tsy misy raha tsy vitan’Andriamanitra.
Zarao eto ary izay heverinao fa mety hahasoa ny hafa. Dia mirary soa ho antsika rehetra e.
Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny finoana
...koa na ananako ny finoana na hoe nohalaliniko ny finoana raha tsy mahay mampita dia naman'ireo tsy mahay na tsa mahalala, Misy ao milaza hoe efa be ny vita sy natao tao amin'ny Kôlejy ka mety tsy ilaina. Raha tsy halalinina ny azo tao, dia ho maina sy ho very , Ohatra, efa be ny vary nohanina hatramin'ny kely nefa mbola mihinana ihany, Toy ny zavatra ambolena izy io ka raha tsy tondrahana matetika dia ho maina re rey olona ô; Mila fandalinana ny finoana fa tsy vitan'ny hoe efa be ny azo ka tsy ilaina intsony! Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny finoana ka mila sakafo sy fandalinana
mailaka voaray ka mba tiana hifampizarana eto: 12/11/2013 17:42:00