Recteurs nifandimby
(tondroy ny sariny)
Vavak'i Md Fraçois d'Assise
Fetin'i Md François Xavier, 03/12/2016
Bonsoir
Misaotra amin'ny fahatsiarovana sy ny firariantsoa.
Dia manantena ny tsy fanadinoanareo ireo zandry zanaka.
Ny hira faneva hita tato amin'ny site iny moa dia hiraina daholo nanomboka tamin'ity taona ity.
ny fanabeazana dia mitaky fisokafana betsaka ary ny conscience dia mila ranitina ho an'ny olom-belona. Malagasy satria tsy hay na maty eritreritra isika na very fanahy.
mirary soa e
P. Prospere Ratovomananarivo
Recteur SFX
05/12/2016
Fetin'i Md François Xavier, 03/12/2015
Manakory aby e!
Misaotra antsika rehetra amin'ny fiombonana sy fiaraha-mivavaka,tsy manadino anareo rehetra indrindra ny maintimolaly. Manantena anareo ihany koa satria tsy vita hatreo akory ny anareo na dia efa samy manana ny toerany aza.
Ny ho avy homanin'ny kôlejy dia mipetraka amintsika rehetra.
Raha tsy mazava sy mahomby anefa ny androany, sarotra ny hanantena ho avy mamiratra.
koa alao hery àry fa ity anio ity dia fotoana lehibe hahazoana mamaritra ny ampitson'ny firenena sy ny mpiray tanindrazana.
samia ho tahian'Andriamanitra
P. Prospere Ratovomananarivo sj.
Recteur SFX
05/12/2015
12/08/2014
Ho antsika maintimolaly,
Miarahaba antsika rehetra, ary mitondra ny teny fankaherezana noho ny fahalasanan'ny tapaka sy namana (Pierre Mesmin RABOTOVAO, nodimandry ny 09/07/2014).
Izahay aty amin'ny kolejy dia te-hampita ny fisaorana aminareo rehetra nanampy sy nanohana tamin'iny taon-dasa iny.
- Nisy ny Scojem (Sport scolaire des collèges jésuites de Madagascar, natao tany amin'ny St Michel. Nisy ireo namana avy aty Frantsa tonga nanontrona sy nitondra fanohanana be. Nahafaly fa ny SFX no voalohany tamin'ny fandrombahana medaly. Adin'ombalahin'ny mpianakavy anefa izany...
- Nisy koa ireo maintimolaly tonga mifanakalo hevitra, mizara vaovao ary maneho mandrakariva ny tsy fahafoizany ny kolejy. ankasitrahana feno fa mankahery ny mahita ireny sy ny fizarana ny hafaliana rehefa mamangy ity toeram-panabeazana ity.
- Mifarana ny taona, efa re ihany ny voka-panadinana BEPC, 94,27% (9 amin'ireo 158 no tsy afaka. Mbola be ny ezaka miandry sy atao. fa mankahery ny mahita ny ezaka vita miandalana. NY BACC dia handrasana tsy ho ela.
Tiako anefa ny mizara aminareo ireo olana sy ezaka ilofosana.
- Ao anatin'ilay hoe, formation d'élite, mazava loatra fa ilay olona feno no resahina. Tsy ara-tsaina fotsiny, amin'ilay recherche de l'excellence, fa ny fanabeazana ny sitratapo (Herim-po, finiavana, faharetana= courage et volonté, effort quotidien) ireo no fanamby lehibe mahasarotra ny fanabeazana. ny saina eo ihany, kely mahay; fa ny sitra-po marefo; kely ny herim-po hanao zavatra ary hanao zavatra tsara sy maharitra.
- heverinay fa ny fampiakarana ny lanja "culturel" ho fanatsarana ny tontolom-piainana iray manontolo mba hanomana ny ankizy amin'ny tena fiainana hatrehiny araka ny vanim-potoana sy ny tontolo manodidina sy izay tiana haorina no lalan-tokana tsy maintsy atrehina.
herin-taona izay dia niezaka ny sekoly nametraka izany fanamby izany. mitaky asa bebe kokoa amin'ny mpampianatra ho tena mpanabe, saingy sarotra ny lalan-ko diavina. be ny tsy mahatakatra ny lanja culturel ny taranja ampianarina. heveriko fa misy lanja philosophie kely izany ary misy vision anthropologique matanjaka. mahantra anefa isika manasongadina ireny vokatry ny fampianarana nihen-danja. hany ka ny culture andalam-be no manabe ny maha-olona: ny fiteny na fisainana na fomba samihafa. anisan'izany ny fisainana politika mirefarefa izay tsy mihoatra ny kirakirain'ny serasera gaboraraka.
Des activités culturelles ont été organisées. on invite les profs à faire ressortir son cours à travers des activités pratiques. Beaucoup ont du mal à transformer leur savoir en pratique.
Io ihany anefa no lalana hitaizantsia ny "esprit de créativité, d'initiative et des responsabilités de nos jeunes. Mbola lavitra ny afo ny kitay.
" raha lazaina amin'ny fomban'ny olo aty izany dia ny hoe" rationalité et développement"; Mampianatra ny mpampianatra saingy be no tsy rationnel, fa mahazoazo ny cours fotsiny, mahatakatra ny système fa tsy rationnel velively, hany ka very ny kilonga manakatra ny représentation samihafa lazaina.
hatreto ary aloha isika izao. mino aho fa manan-ko zaraina ianareo mipetraka any an-dafy manoloana izany.
Fa ny olana goavana indrindra dia ny Ray aman-dReny miseho ho tia zanaka sy sarotiny saingy tsy mahalala akory ny zavatra hataony fa manao izay mahafaly ny zanany fotsiny. sarotra ny miara-miasa amin'ny olona toy izany. ary ireny no mazana handraisana fanapahan-kevitra amin'ny zanany satria na miezaka aza ny mpanabe, ny ankohonany manimba sy zary fahavalon'ny zavatra hataonao. lazainy anefa fa tiany ny kolejy, tiany ny fanabeazana saingy tsy vitany ny miara-miombon'antoka aminao amin'ny fanabeazana ny zanany.
samia ho tahian'Andriamanitra
P. Prospère RATOVOMANANARIVO
Recteur SFX