Fahatsiarovana an'i Beloha

Mandeha ny fotoana, tsy hita izay holazaina. Na dia tsy fotoanan'ny fitanondrehana intsony aza izao, dia sarotra ny hanadino ny andro androany, nandaozan'i Beloha antsika. Samy manana ny fomba ahatsiarovany an'izany ny tsirairay. Mino isika fa mivavaka tsy tapaka ho antsika izy.

Misy sary anankiray ity, mba nahatonga saina ihany, tsy hasiana fanazavana satria miteny ho azy.

RY MPIARO MASINA (- Hira fanevan'ny Kôlejy Md François Xavier Fianarantsoa:)

https://sites.google.com/site/sfxfianarana/fahatsiarovana-an-i-beloha#belohazafimaniry

Md François Xavier

Pretra Zezoita

Recteurs nifandimby

(tondroy ny sariny)

Dimy taona izay, 27 fevrie 2012 .

Dimy taona lasa izay no nandaozan'i Beloha, Maopera Michel Peltereau-Villeneuve, antsika.

Lasa izy, nody any amin'Izy Andriamanitra nahary azy, rehefa nahavita ny asa nampiandraiketina azy teto amintsika.

Teraka tao Nancy tamin'ny 6 novambra 1924 izy. Taorian'ny nahazoany ny bakalôria tamin'ny volana jolay 1944, dia voaantso ho miaramila, ary tany ambavaady tany Indochine izy. Tany no nahitany ny atao hoe ady izany, faty olona mikararàna. Helo tanteraka. 23 taona ny lehilahy no tafaverina avy tany, rehefa avy namoy namana akaiky sy olom-pantatra sasantsansany. Isan'ny nahatonga azy ho nanokan-tena ho an'Andriamanitra ny niainany izany fiainana "afobe" tany an'ady izany.

Niditra tao amin'ny Noviciat-ndry Maopera zezoita izy, nanomboka ny fianarana ny Filôzôfia sy ny Teôlojia tao Vals-prés-le-Puy (sahabo ho 80km atsimo andrefan'ny tanànan'i Saint-Etienne) toerana niofanan'i Md Jacques Berthieu ihany koa, tamin'ny fotoan'androny (1873).

Nony vita izay dia niondrana nankany Madagasikara izy, toerana efa nofidiany hanaovany misionera. Nianatra teny malagasy tao Ambositra, avy eo nanohy nianatsimo nihazo an'i Fianarantsoa, nanao régence tao amin'ny Kôlejy Md François Xavier.

Nitohy indray ny fianarana Teôlojia tao Antananarivo, nandritra ny 3 taona, izay vao nohamasinina ho Pretra tamin'ny 30 jiona 1957 tao amin'ny Fiangonana Md Charles ao Ambatomena. Ary i Mgr Xavier Thoyer, Evekan'i Fianarantsoa tamin'izany, no nametra-tanana taminy, nanamasina azy. Nanatrika teo koa ny reniny niteraka azy. Tany amin'ny Zafimaniry, faritra be tendrombohitra sady feno ala atsinanan'Ambositra, no nanombohany ny asa fitoriana nataony. Ankoatra ny fitoriana ny Evanjely, dia isan'ny nahavita be tokoa i P Michel Peltereau-Villeneuve ho an'iny faritra iny; satria izy no nampahafantatra, ary nampiely ho fantatr'izao tontolo izao ny asa tanan'ireo Zafimaniry ireo. Izay igagàna tokoa, ary ireharehantsika malagasy.

Maopera Beloha .

Niverina tao amin'ny Kôlejy Md François Xavier indray izy, nisahana ny asan'ny Préfet des études. Feno azy ny toerana rehetra tao amin'ny Kôlejy, indrindra tamin'ny fotoanan'ny fakan-drivotra. Ny mpianatra moa, hatramin'izay ka hatramin'izao, dia tia nanome anaram-bositra izay, arakaraka ny zavatra fanaon'ny mpampianatra na Maopera, na koa arakaraka ny toe-batana fahitàn'ny mpianatra azy. Ny an'i Maopera Peltereau, dia ny handriny efa nitatra niakatra, noho ny solanga, notsenain'ny volo somary nitsangana avy ao aoriana, ka nidoladola aloha sy afara nanaraka ny famindrany, rehefa nanao dia maika izay izy, satria nisy tsy nahatanty resy ny mpanao baolina ka raikitra ny totohondry; na nisy nikorontana tany amin'ny salle d'étude anankiray:"...Tsy mahalala mangina anatin'ny 5 minitira?...ny étude dia natao mba hianatira fa tsy natao mba hitabataba..." (nitazona fihomehazana no sisa azo natao). Toe-javatra tahaka izany no naha-Beloha an'i Beloha.

Isan'ny toko telo nahamasa-nahandro izy, niaraka tamin'i P André Dupont sy i P Jean Marie Verley (izay nitonona anarana hoe Zafisolo, noho izy nanana raibe pretra misionera tany Madagasikara), samy efa nodimandry taona vitsivitsy lasa izay. Ireo izay nifanerasera natetika tamin'i Beloha, dia nahatsapa fa tena nampihetsi-po azy ny nandehanan'i P Verley. Vao mainka nanampy trotraka izany, nampitotongana ny toe-pahasalamany ny nahalasanan'i P André Dupont taona vitsy monja taorian'i P Verley, izy rahateo efa nanomboka nihalehibe ka tsy nitantana ny ANCMF intsony:

"...Izahay telo mirahalahy no nanangana ny Collège saint François Xavier,...izaho irery sisa no tavela."

Tamin'ny volana septambra taona 1981 izy no niverina tany Frantsa, taoriana kelin'izay dia nampiandraiketina azy ny mpianatra malagasy nandrato fianarana tany. Raiamandreny tokoa izy: tsy nitsahatra nanoro hevitra, nananatra, niteny mafy mihitsy aza indraindray, ary mbola izy ihany koa anefa no nandeha nitady ny ondry nania, saonjo iray lohasaha tokoa moa isika olombelona, hoy ny ohabolan'ny Ntaolo, ka tsy ilaozan'ny iray hamarara. Ka na dia nisy tokoa aza ny daka tsy hita maso (ara-bakiteny io), dia ny FITIAVAN' I BELOHA an'ireo zanany be dia be no tadidy, ny sisa natao fihomehezana fotsiny, ka na izy aza, rehefa mba nivazivazy izay, dia niteny hoe: "...j'ai rencontré Untel,... tu connais?... il est colonnel maintenant... c'est quelqu'un à qui j'ai botté les f..."

Tsy nijanona tamin'ny mpianatra ihany, fa ireo malagasy nanorim-ponenana any koa, dia nahazo ny anjara fitiavany tamin'i Beloha. Teraka ny Aumônerie Nationale des Catholiques Malgaches de France (ANCMF). Lasa feno an'i Beloha indray i Lafrantsa iray manontolo. Raha tany Toulouse no niantsoanao azy, any Lille izy no mamaly anao an-telefaonina. Raha tany Nancy no noeritreretina hoe nisy azy, avy any Bordeaux izy no mametraka hafatra. Tapitra voavanginy daholo izay toerana nisy mpianatra, na communauté malagasy niantso azy. Tsy latsa-danja tamin'izany koa ireo Fiangonana ao amin'ny FFKM.

Taorian'io fiverenany tany Frantsa io, dia vatrany ny nitsidika isan-taona tany Madagasikara, nisolo toerana vetivety ireo pretra misionera naka rivotra taty Eoropa, 3 volana isan-taona teo ho eo.

Nanomboka tamin'ny taona 2007 teo, nikorosy fahana indray ny fahasalamany, nomena hotantanin'i Maopera Alphonse Zafimahakoko, pretra Assomptioniste ao Evry (tanàna tsy dia lavitra an'i Paris) ny ANCMF: "izaho dia tsy omen'olona andraikitira intsony..." hoy i Beloha. Tarainan'olona zatra asa, tsy netinety raha tsy nisy raharaha niandraiketana.

Ny fiainany no ohatra velona nomeny ho antsika .

Tantara sisa ny amin'i Beloha. Tamin'ny sabotsy 3 marsa 2012 no nandevenana azy tany Lille. Izany no adidy farany nataontsika tamin'ity Raiamandreny iombonantsika ity. Betsaka isika zanany no tonga teo, ianareo any Lille sy ny manodidina azy moa dia nanao izay ho afakareo tokoa nahatontosàna izany fotoan-dehibe izany: nikarakara, niari-tory, nanao izay nahatonga lafatra ny fandaharam-potoana rehetra. Ny Katolika Malagasy tao Lille, akaiky vilany feno arina, ka tsy nahalala sasatra fa nampiasa ny fomba rehetra, eny fa hatramin'ny fandraisana ny vahiny avy lavitra, tsy àry ho voatanisa eto ny zavatra nataonareo, noho ny fitiavanareo an'i Beloha sy ny fitiavanareo ny malagasy nokarakarainy fahavelony.

Ny ANCMF, notarihin'i Raiampanahy Alphonse ZAFIMAHAKOKO, Aumônier national, sy ireo mpikambana ao amin'ny Birao Nasionaly; dia nanao ny ainy tsy ho zavatra ka niara-nientana nampandre, nanatontosa ny adidy farany tamin'i Maopera Beloha. Tsy hadino ihany koa ireo avy any amin'ny Communautés Malagasy samihafa manerana an'i La Frantsa tonga nidodododo niara-niory, nifanome hery.

Ny fifankatiavantsika zanany anie no hiroborobo. Ny firaisankinantsika Malagasy, tsy ny ato amin'ny ANCMF ihany, izay nandanian'i Beloha ny heriny sy ny ron-dohany anie; ho mafy orina hatrany, satria tsy toriteny no nataon'i Beloha tamintsika fa ny fiainany no nataony ohatra velona ho antsika.

Ny firariana dia ny hoe: mba tsy ho toy ny menaka nahoso-bato anie ny nataon'i Beloha tamintsika sy tamin'ny Firenena Malagasy, fa mba hiezaka isika tsirairay avy, amin'izay toerana sy sehatra misy antsika sy amin'izay rehetra azontsika atao; mba hampisy vokany ny fitiavana nomen'i Beloha antsika.

Mandria am-piadanana Beloha, ary mino izahay fa mivavaka ho anay mandrakariva ianao.

Calixte Razafimahatratra

Na dia tsy nahita maso aza ny tena dia azo saintsainina amin'izao ny fiainan'i Beloha tany amin'ny Faritra Zafimaniry, sy ny fiainan' ireo Misiônera tahaka azy, nitory an'i Jesoa Tenin'Andriamanitra.

P Michel Peltereau-Villeneuve 6/11/1924- 27/02/2012

Lille 03 marsa 2012