Soso-kevitr'i Manohy-ho-vao ny mba hisian'ny lohahevitra samihafa. Isan'izany ity hoe " Ny soa fianatsa" ity, araka ny ilazany azy hoe :
"Partage mahasahina asa na experiences alefan'ny anciens maneran-tany ohatra anciens SFX France , Canada , Fianar , Madagascar, Chine sns...
na partage ka sokajiana isaky ny corps de métiers :
medecins , militaire , enseignants , sportif , chorale , techniciens...."
Hevitra aposaka moa ny azy fa isika ihany no antony na hotohizana izy ity, na dia ho maty an-karanany eto.
Ny lahatsoratr' Atoa Pierre Mesmin RABOTOVAO no hisantarantsika azy eto. Ka antenaina fa ity no ho tonga amin'ny fitenenana hoe "mandihiza Rahitsikitsika hianaranay raha fararano".
Ny kilikinao eto izany no sisa andrasana hahafahanao mizara izay fantatrao ka mety hahasoa ny hafa.