Evanjely Masina nosoratan’i Md Matio Mt 25, 14- 30
Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin'ny mpianany nanao hoe: "Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny, ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy. Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa; fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan'ny tompony.
Nony ela dia niverina ny tompon'ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin'ny volany. Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: "Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho." Dia hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin'ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin'ny tomponao. Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho. Dia hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin'ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin'ny tomponao. Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao, fa mijinja amin'izay tsy namafazanao, ary manangona amin'izay tsy nanahafanao, ka natahotra aho dia lasa naleviko tany anatin'ny tany ny talentanao: koa indro averiko aminao ny anao. Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona amin'izay tsy nanahafako; koa tokony ho napetrakao tany amin'ny mpampanana ny volako, ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy omban-janany. Alao ary ny talenta any amin'io ka omeo ilay manana talenta folo; fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin'izay ananany aza. Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin'ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Evangile : parabole des talents (Mt 25, 14-30)
Évangile de Jésus Christ selon saint Matthieu
Jésus parlait à ses disciples de sa venue ; il disait cette parabole :
« Un homme qui partait en voyage appela ses serviteurs et leur confia ses biens. À l'un il donna une somme de cinq talents, à un autre deux talents, au troisième un seul, à chacun selon ses capacités. Puis il partit. Aussitôt, celui qui avait reçu cinq talents s'occupa de les faire valoir et en gagna cinq autres. De même, celui qui avait reçu deux talents en gagna deux autres. Mais celui qui n'en avait reçu qu'un creusa la terre et enfouit l'argent de son maître.
Longtemps après, leur maître revient et il leur demande des comptes.
Celui qui avait reçu les cinq talents s'avança en apportant cinq autres talents et dit : 'Seigneur, tu m'as confié cinq talents ; voilà, j'en ai gagné cinq autres. — Très bien, serviteur bon et fidèle, tu as été fidèle pour peu de choses, je t'en confierai beaucoup ; entre dans la joie de ton maître.'
Celui qui avait reçu deux talents s'avança ensuite et dit : 'Seigneur, tu m'as confié deux talents ; voilà, j'en ai gagné deux autres. —
Très bien, serviteur bon et fidèle, tu as été fidèle pour peu de choses, je t'en confierai beaucoup ; entre dans la joie de ton maître.'
Celui qui avait reçu un seul talent s'avança ensuite et dit : 'Seigneur, je savais que tu es un homme dur : tu moissonnes là où tu n'as pas semé, tu ramasses là où tu n'as pas répandu le grain. J'ai eu peur, et je suis allé enfouir ton talent dans la terre. Le voici. Tu as ce qui t'appartient.'
Son maître lui répliqua : 'Serviteur mauvais et paresseux, tu savais que je moissonne là où je n'ai pas semé, que je ramasse le grain là où je ne l'ai pas répandu. Alors, il fallait placer mon argent à la banque ; et, à mon retour, je l'aurais retrouvé avec les intérêts. Enlevez-lui donc son talent et donnez-le à celui qui en a dix.
Car celui qui a recevra encore, et il sera dans l'abondance. Mais celui qui n'a rien se fera enlever même ce qu'il a.
Quant à ce serviteur bon à rien, jetez-le dehors dans les ténèbres ; là il y aura des pleurs et des grincements de dents !' »