Recteurs nifandimby
(tondroy ny sariny)
Md Ignace de loyola , Mpanorina ny Fikambanan'i Jesoa
Inigo no tena anarany. Teraka tany Loyola any Espagne tamin'ny taona 1493 tany ho any izy, zanak'olona ambony, lasa miaramila manam-boninahitra taty aoriana, hatramin'ny faha-30-n'ny taonany.
Ratra mafy vokatry ny ady tao Pampelune (1521) no nahatonga azy tsy ho afa-nihetsika tam-pandriana. Famakiam-boky no nataony fandaniana andro. Ary noho ny tsy fisian'ny boky hafa noeritreretiny hovakiana, dia nanjary namaky tsy sazoka an' izay boky nisy tao amin'ny toerana nitsaboana azy izy: dia boky mitantara ny fiainan'i Kristy sy ny fiainan'ny olomasina. "LA VIE DU CHRIST et LA LEGENDE DOREE".
Izany no fomba nahazahoany ny antso voalohany, izay fintinin'ity tantara an-tsary eto ambany eto ity. Antenaina fa hisy hanohy na hanamboatra azy mba ho fenofeno kokoa ity takilan'ny tranonkala ity. Ianareo izay mahalala ny tantarany, indrindra ianareo Frera na Pretra Zezoita no antenaina mba hizara izay fantatrareo eto. Tsy ny tantarany ihany fa indrindra ilay hoe "EXERCICES SPIRITUELS" nampalaza ity Olomasina ity. Lova ho antsika zanakà Zezoita rehetra, ka hoezahina hampiharina amin'ny fiainana. mba HO VONINAHITR' ANDRIAMANITRA LEHIBE INDRINDRA.
Ry Mpiara-dia