IZAY MAMINDRA FO MAMINDRA AINA

Ny Famindram-po e e

Harena avy Aminao ry Ray

Sambatra izay manan'Azy

Fa hamindrana fo izy.

Satria mandrava ny olana

Mampiray ny Fiangonana

Ao aminao Jesoa


1-Fanomezam-pahasoavana tokoa

Ny Famindram-ponao Jeso(a)

Mitondra hafaliana sy fiadanam-po

Izay mahay mamindra fo

Koa indreto ‘zahay mpianatrao

Midera sy misaotra Anao o,o,o


2-Ny Hazofijalianao Jeso(a) ô

Dia famindram-ponao tokoa

Mitondra Famonjena

sy Fiainam-baovao

Ho an’izao tontolo izao

Koa indreto zahay mpianatrao

Vonona ny ho irakao o,o,o,


P Jean Berlin MAHALIGNY

ho an'ny mpitendry, kilikeo eto