FANOMANANA sy FANENTANANA NY LAMESA
HO ANAREO IZAY VOATENDRY SY NANOLO-TENA HANOMANA SORONA MASINA:
ALOHAN'NY HANDANIANAREO FOTOANA HITADY HIRA FENO "PUB" ANY AMIN'NY YOUTUBE,
DIA AZA MANAO "AMBANY MASO TSY HITA" FA MBA JEREO ALOHA AO AMIN'NY FIANARAN-KIRA CMZE FA EFA NAMPIARAHINA AO NY TONONKIRA MIARAKA AMIN'NY FEONY.
Efa lasa lavitra ny teknôlôjia ankehitriny, sady tsy mahalavi-tany intsony. Iarahantsika mahalala izay.
Na dia eo aza izany, ny fomba tsara indrindra hanomanana Sorona Masina (Lamesa) dia ny fihaonan'ireo izay voatendry na nanolo-tena hanao izany, amin'ny toerana iray.
Izany fotoana ihaonana izany, dia ahafahantsika mandinika miaraka sy mifampizara ny Soratra Masina izay voatondro hovakiana mandritra ny Lamesa izay omanina.
Ka tsy ny fifidianana ny hira izay hatao fotsiny no ho vita, fa samy hahazo sakafom-panahy sahaza ny tsirairay. Manginy fotsiny ny fiarahana izay azo antoka fa hahafinaritra.
Efa niala tamin'ny FIHIBOHANA isika izao, arahaba soa, arahaba tsara. Koa entanina isika rehetra izay hanomana ny Sorona Masina, manomboka izao, mba samy hiezaka HIFANATONA amin'izay, fa tsy hianina intsony amin'ny sary hifampitazanana eo amin'ny solosaina (ordinateur), na koa eo amin'ny finday (telephone portable).
Ny Ankohonam-piangonantsika CMZE dia manana fitaovana, azo ampiasaina tsara, ka tokony hampiasaina, mba tsy handaitra amintsika ny tenin'ny "Mpanao sokela" (Mpikabary an-danonana), manao hoe: "Tsa hitsapatsapa managna ilo, na hangaro-kena manan-tsaoka"; izany hoe: tsy ho toy ny olona manana jiro isika nefa hitsapatsapa ao anaty haizina, na koa hoe toy ny olona manana sotrobe nefa mangarom-bilany amin'ny tanana. Hafahafa ihany !
Fampahatsiahivana amintsika ny fisian'ireo fitaovana ireo no ataonay eto, satria tsy voatery ho fantatry ny tsirairay ny fisian'izany.
Ato amin'ny CMZE dia ny Mpiandraikitra ny Litorjia no mitahiry ireo boky ireo mba hahafahana mampiasa azy ireo amin'ny fotoana ilàna azy. Indrindra mandritra ny Sorona Masina
Sorona masina
Alahady sy andro fety
BOKIM-PIVAVAHANA
HO AN'NY KATOLIKA ROMANINA
FANAOVANA SORONA MASINA
(Bokibe ampiasain'ny Pretra mandritra ny Sorona Masina)
TOY IZAO ÀRY NY VOALAZA AO AMIN'NY BOKY
FANOMANANA SORONA MASINA (CMZE)
1) Hamarino tsara ny Vakiteny izay hatao alohan’ny hanombohana ny fotoana: Ny fomba tsotra indrindra dia ny mijery ny tranonkala AELF
(Association épiscopale liturgique pour les pays francophones)
2) Jereo ny boky
“SORONA MASINA ALAHADY SY ANDRO FETY”
na ny
“SORONA MASINA ANDAVANANDRO”
arakaraka ny Sorona Masina izay omanina
3) Azo anampiana an’ireo koa ny
“Missel des dimanche, Prions en église…”
4) Ny vakiteny rehetra dia efa napetraka ao amin’ny tranonkala CMZE:
azonao jerena amin’ny alalan’ny finday izany.
sady misy amin’ny teny MALAGASY ireo no misy amin’ny teny FRANTSAY
5) Mety hanampy antsika koa ny tranonkala Fianaran-kira CMZE:
Hira voalahatra araka ny KARAZANY
Hira nalahatra araka ny ABIDY
6) Ilaina mandrakariva ny boky fihirana: HASINA, VAVAKA SY HIRA, ...
7) Indraindray mety manampy koa ny fijerena ny hira natao tamin'ny lamesa niarahantsika farany, na ireo izay efa natao tany aloha tany.
(Voarakitra ato amin'ny Tranonkala CMZE avokoa ny Lamesa natao nanomboka tamin'ny Janoary 2014 ka hatramin'izao , kilikeo ny daty ery ambany, ohatra: 20/02/2022_hira)