ZAIKABE 2015

ZAIKABE ANCMF: 15 Mai 2015 - 17 Mai 2015

Ry kristianina havana,

Arahabaina toa an-dravorona ianareo, ka raha misidina mampita hafatra, mitoetra mandrotsy an-tsioka. Ny vary tsy fotsy tsy an-daona, ny asa tsy efa tsy atao, ary ny asa vadi-drano tsy vita tsy ifanakonana.

Vita soa ny zaikabe faha-20 izay niarahantsika tany Notre Dame de La Salette tamin’ny 15-17 Mai 2015 lasa teo, koa misaotra an’Andriamanitra lehibe isika ary miombom-bavaka hatrany amin’i Masina Maria Renintsika.Izany no tomombana dia teo ihany koa ianareo. Fa tsy nataonareo toy ny antso an’efitra ny antsonay ka ako no namaly, fa tonga maro be ianareo (700 latsaka kely teo no isantsika mpizaika): tsy kely nasesiky ny tahotra, na lehibe nasesiky ny henatra , fa tonga nasesiky ny fitiavana.

Masina Maria niseho tamin'i Maximin sy Mélanie (mpiandry ondry tao La Salette Fallavaux) tamin'ny 19 septambra 1846.

Koa misaotra indrindra, Tompoko. Ho anareo izay tsy afaka nohon’ny antony maro samihafa dia inoanay fa niombom-po sy vavaka taminay koa ianareo.

Tsy ataonay sitraka andro anaovana toy ny tongotr’omby mihosy anie ireny, fa sitraka enti-matory, telina enti-mifoha, hotsarovana hatrany !

Ny natao anefa tsy ho àry tomombona avokoa, koa mamerina ny fialantsiny amin’izay tsy araky ny novinavinaina sy nandrasanareo.

Tsintsina mitondra vonintenina e, ka izay zakan’ny vava no nentina. Tsara anefa ny mampahafantatra anareo fa nanao ezaka lehibe ny ANCMF tamin’ity zaikabe ity indrindra teo amin’ny lafiny ara-bola, satria eo amin’ny 15 000€ eo no vola lany natolotry ny ANCMF, ankoatran’ny fandraisanareo anjara isan'isany tany amin’ny communautés-nareo tany. Natao sy natolotra am-pitiavana ka inoana fa noraisinareo am-pitiavana koa !

Tantely tapa-bata ka ny fo no enti-mameno azy !

Izay azonareo tany dia ataovy toy ny voankazo an’ala ka ny mamy atelomy, ny mangidy aloavy !

Ireto misy hafatra vitsivitsy :

  • Ny tatitry ny Zaikabe moa dia efa misy hitantsika ireny ihany, fa ny manaraka mbola ho avy (fintina an-tsoratra, sary, DVD); ny gazety Olombaovao manaraka dia nafototra amin’ny zaikabe, ka aza misalasala mandray anjara.

  • Ny Conseil National (solotena 3 isaky ny communauté) fanao isan-taona dia ny 31 Oktobra-1 Novambra 2015 ka alamino ny fotoanantsika. Raha misy communauté vonona handray dia alefaso haingana ny fangatahanareo.

  • - Ireo communauté maniry ny ho vangian’ny birao nasionaly ihany koa dia ampitao ny daty vitsivitsy mety aminareo mba afahanay mandamina izany mialoha.

Manolotra ny veloma finaritra, ho tahin’Andriamanitra isika mianakavy.

Mitohy hatrany eo anivontsika ny vokatry ny zaikabe satria “miara-mivavaka amin’i Masina Maria “isika.

Ny birao nasionaly ANCMF

Miombom-bavaka mandrakariva isika e!

Izahay eto amin'ny CMZE dia misaotra anareo Birao Nasionaly ANCMF, nahandro nahamasaka ary nitoto nahafotsy ka nahatomombana iny ZAIKABE 2015 niarahantsika iny