Fantatrao ve ny CMZE?

Zaza miana-mamindra

Tao Evry, Renivohitry ny Departemantan'i Essonne (91), iray amin'ireo depatemanta valo manodidina an'i Paris; no nipoiran'ny CMZE, tamin'ny taona 2007. Tao amin'ny Katedraly St Corbinien, izay azo lazaina ho Ambohipihaonan'ny Malagasy sy Zanatany vitsivitsy tamin'izay.

Isak'alahady tokoa manko, rehefa vita ny lamesa atoandro, dia nisy vondron'olona vitsivitsy, Malagasy sy Zanatany, izany hoe vazaha endrika fa malagasy fò sy fanahy; nifanatona, nifampiarahaba, nikoràna. Tsy nifankahalala anarana akory tamin'ny voalohany, fa dia hoe samy malagasy, samy miraiki-pò amin'i Madagasikara; dia nifanome adiresy, telefaonina.

Teo rahateo koa moa ny fisian'i P Louis Marc, pretra malagasy avy amin'ny Diosezin'i Toamasina, nianatra tao Paris ary nipetraka tao amin'ny Paroasin'ny Katedraly; sy i Masera Noro ( Emilienne Rasoambolanoro ) ao amin'ny fikambanan'ny Soeurs du Sacré Coeur de Jésus. Izy mianadahy ireo no angady nanànana sy vy nahitana ny Fiangonana. " Maninona moa raha mba miara-mivavaka amin'ny teny malagasy isika ireto?" hoy izy ireo nanipy ny hevitra. Dia notantanany fa toy ny zaza vao miana-mamindra.

Lamesa inefatra isan-taona sy koranam-pianakaviana

Nifanatona àry izahay, nikaon-doha ny amin'izay fomba hatao. Tapaka fa hatao indroa isan-taona ny fihaonana: ny voalohany, aorian'ny taom-baovao; ny faharoa kosa, manodidina ny Fetim-pirenentsika, ny 26 Jiona izany. Taty aoriana kely indray, dia nasiana lamesa koa aorian'ny Paka, ary ny fahefatra dia amin'ny volana Oktaobra.

Ny Fiangonana Notre Dame de l'Espérance moa no nametrahana ny CMZE. Samy nitondra ny talenta nananany ny tsirairay, ny tsy mahay sobika tokoa moa mahay fatam-bary: Teo ny nandrindra ny hira sy ny momba ny Lamesa, teo ny nikarakara ny zava-maneno sy ny mozika, ny sasany nikarakara ny fandaminana sy ny hoenti-manana rehetra. samy nandray anjara daholo ny rehetra.

Tapaka moa fa samy hitondra sakafo ny tsirairay, ka nony vita ny Lamesa dia niarahana nihinana izay voaangona teo. Ara-bakiteny tokoa ny hoe " nifampizara ny manta sy ny masaka". Tsy hita izay naharatsy an'izay ka dia notazomina izay fomba izay, aorian'ny Lamesa dia miara-mikoràna ny mpianakavy.

Nitatra ny hevitra, ka na dia efa tsy teo intsony aza i P Louis Marc, lasa nody rehefa vita ny fianarany, sy i Sr Noro izay nifindra toerana ; dia natsangana ara-panjakana indray ny Fikambanana (Association 1901). Nosoratana ao amin'ny Préfecture-n'i Essonne 91, tamin'ny taona 2008 iny.

Sady Katôlika no Malagasy

Amin'ny maha-Fiangonana Katôlika azy, dia tsy mitoka-monina ny CMZE, fa miankina tanteraka amin'ny Diosezin'i Evry-Corbeil-Essonne. Anankiray amin'ireo Communauté marobe mamorona ny Diosezy izy.

Amin'ny maha-malagasy azy koa nefa, dia mpikambana feno ao amin'ny Aumônerie Nationale Catholique Malgache de France ( ANCMF) ny CMZE.

Tao Evry no nifotoran'ny Fiangonana ( communauté), manerana ny Ile-de France ( région parisienne ) manontolo kosa anefa ny mpikambana ao aminy, misy aza ny avy lavitra tokoa tonga mamonjy ny fotoana any amin'ny Notre Dame de l'Espérance.

Tsy fifaninanana no ataontsika, fa ny Fiangonana Katôlika dia iray ihany, ny varavarana fidirana ao aminy no misy marobe, ka samy afaka miditra amin'izay varavarana akaiky azy sy tiany hidirana ny tsirairay.

Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny Voninahitra, ny fiadanan'i Kristy kosa homba antsika sy ho eo amintsika mandrakariva.