Echo de l'ANCMF

Fiakaran’ny Tompo, 21 may 2020

(Asan’ny Apôstôly 1, 1-11 ; Salamo 46 (47), 2-3, 6-7, 8-9 ; Matio 28, 16-20)

Hira : Ankavanan’Andriamanitra (Hasina, p. 29)

Fety iray lehibe ho an’ny Eglizy ny Fiakaran’ny Tompo any an-danitra.

40 andro manaraka ny Fitsanganan-ko velon’i Jesoa Kristy ary 10 andro alohan’ny Pantekôty.

Fisarahana hafa kely satria i Jesoa Kristy mihazo ny toerany taloha.

Talohan’ny niakarany dia nampanantena zavatra 3 samihafa fa mifampitohy Izy :

1/. Fampanantenana ny fidinan’ny Fanahy Masina tsy ho ela : « Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary Samaria, ka hatrany amin’ny faran’ny vazantany » (Asa 1, 8).

2/. Fampanantenana ny fiarahany amin’ny mpianatra mandrakariva : « Ary indro aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao » (Matio 28, 20).

3/. Fampanantenana ny fiaviany indray amboninahitra amin’ny farandro : « Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray, tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra » (Asa 1, 11).

Matetika i Jesoa mampiasa teny an’ohatra izay mifono hevi-dalina.

Ohatra 1 : « miakatra ».

« Nony nilaza izany Izy, dia nakarina teo anatrehan’izy ireo… » (Asa 1, 9a).

Any atsimo tena atsimon’i Madagasikara any, ny teny hoe : « miakatra » dia mivoaka no dikany. Araka ny fiteny hoe : Tafakatra, izay midika hoe : tafavoaka. Tsy toy ny sigara : « Miakatra dia manjavona » ! Fa araka ny tsodranon-drazana manao hoe : « Misondrota amin’ny avo indrindra… ». Raha misy olona nasondrotry ny tany eo amin’ny fiarahamonina dia lazaina fa tafakatra.

Tsy nijanona eto an-tany i Jesoa, na nankany amin’ny afobe, fa niakatra any an-danitra (ny tany, ny afobe ary ny lanitra) mba hitarika antsika ho any.

Ohatra 2 : « rahona ».

« Nisy rahona nanakona Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy… » (Asa 1, 9b).

Ny rahona dia famantarana hita maso ny fisian’Andriamanitra (Asa 1, 9). Rehefa hiampita ny ranomasina mena ny hebrio niaraka tamin’i Moïzy dia ny andry rahona no nitarika azy ireo (Eksaody 13, 21). Nanarona an’i Jesoa koa eto ny rahona, izany hoe tafiditra amin’ny tontolon’Andriamanitra Izy, tsy olombelona hita maso intsony fa tonga Fanahy velona indray.

Fa inona àry no dikan’ny Fiakaran’ny Tompo ?

Valiny : « Ry lehilahy avy any Galilea, nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra ? Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray, tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra » (Asa 1, 11). Tafatsatoka, sanganehana, ankona niandrandra ny lanitra teo ireo mpianatra. Tsy neken’ny Tompo io fihetsika midonana-poana io. Manomboka hatreo ny fitoriana ny Evanjely sy ny fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavan’i Jesoa Kristy. Nandova izy ireo ka teren’ny fitiavana ny Tompony hampiely ny Vaovao Mahafaly. Ary handray ny fahasoavana miampy fahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina amin’ny Pantekôty. Tsy ho tompoina fa hanompo.

« Mpianatra-misiônera » (disciple-missionnaire), hoy ny Papa François, ka manohy izay efa natombok’ireo apôstôly ny Eglizy sy isika vita batemy. Tsy hanjehy ny halavan’ny andro sy hitomoe-poana fa mikatroka tanteraka mandrapahatapitry ny fofonaintsika. Sady ankaherezin’ny fampanantenan’i Jesoa Kristy.

Sasinkira : (Hasina, p. 287)

Hanambara Ahy ny Fanahy,

Hanafaka ny alahelonareo ;

Hanambara Ahy ianareo,

Hanafaka ny alahelon’ny olona.

Alahady faha-4, Paka, taona A, 3 May 2020

Alahadin’ny Fiantsoan’Andriamanitra

(Asan’ny Apôstôly 2,14a.36-41 ; Salamo 22(23) ; 1Piera 2, 20b-25 ; Joany 10, 1-10)

Hira 1 : Moa ve tia ahy ianao, ka hamahana ny ondriko


« Alahadin’ny Fiantsoan’Andriamanitra » ny tontolon’ny andron’ny Tompo anio.

Manambara i Jesoa fa Izy no Mpiandry ondry tsara. Voalaza ihany koa ao amin’ny Salamo 22(23) fandinihana fihirantsika matetika hoe : « Iaveh no Mpiandry ahy, inona moa no hahatahotra ahy ?».

Feno fanoharana ombana sarinteny mikasika ny fiandrasana biby fiompy ny Baiboly satria « ny ohatra, hono, matavy tapaka ». Efa nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny saina mahatakatra ny tiany ho lazaina.

Fa hiverenantsika kely ny tantara : nihiboka tanteraka ny mpianatr’i Jesoa taorian’ny nahafaty Azy satria raiki-tahotra. Rehefa nahazo ny Fanahin’ny Tompo kosa anefa izy ireo dia lasa sahy nivoaka sy nitory an’i Jesoa nitsanga-ko velona. Anio i Piera miaraka amin’ny apôstôly rehetra mitory teny manao hoe : « …Iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy » (Asa 2, 36). Nanindrona ny fon’izay nihaino teo ny toriteny ka nibebaka dia natao batemy izy ireo. Rehefa raisina am-po tokoa ny Tenin’Andriamanitra dia miteraka hafaliana maharitra. Fa raha sanatria kosa, araka ny voalazan’i Piera ao amin’ny vakiteny faharoa, ka lasa « ondry nania » dia mila an’i Jesoa Mpiandry tsara sy mahatoky.

« Mpiandry omby volavita, hono, tsy tompony fa mpamerin-doha ». Fa ry zareo farisiana (mpino mpanara-dalàna ara-bakiteny) kosa dia mivolon-ko tompony, misalovana ny asan’ny Tompo ka sady manilika ny ondry ho very no mamela azy ho faty. Ka amin-dry zareo indrindra no iantefan’ny fampianaran’i Jesoa androany. Fanoharana telo mifameno no nilazany izany :

1/. Miditra ara-dalàna amin’ny vavahady Izy, ary sady

2/. Varavaran’ny ondry no

3/. Mpiandry ondry tsara.

Misy tokoa ny mpiandry sandoka satria raha tokony miaro sy mamahana ny ondry izy ireo, dia lasa misoloky sy mamono mihitsy aza.

Samihafa ny fomban-tany raha miandry biby fiompy. Ny fahita matetika dia aoriana ny mpiandry.

Fa ao amin’ny Baiboly kosa dia « mialoha (…) ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony ; ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany… » (Joany 10, 4). Na mihoatra ny 7 lavitrisa ny isan’ny olombelona eto an-tany dia fantatry ny Tompo tsirairay avy ny anarantsika rehetra.

Ny tehin’ny eveka dia famantarana maha-mpiandry azy, fiarovana ny kristiana tsy ho viravirain’ny fahavalo. Fa isika rehetra vita batemy dia « Mpianatra-voairaka » daholo, hoy ny Papa François, hanohy ny asam-pamonjena natombok’i Jesoa Kristy. Ny lahasa rehetra dia « amin’ny alalany, sy miaraka aminy ary ao aminy » dia Ilay Mpiandry ondry tsara.

Tsy manery anefa i Jesoa fa mamela malalaka antsika izay te-hiara-miasa aminy. Fa samy ondry manam-panahy ka afaka mifanohana tsy ho potraka sy mifanohina tsy ho ketraka. Ny sakafo omen’ny Tompo dia ny Teniny ho hery sy ny Tenany ho tanjaka. Tsy tapaka manainga antsika ny Eglizy mba tsy hihaino ny feon’ny mpiandry sandoka, fa hifantoka bebe kokoa hatrany amin’ny fampianaran’ny mpiandry tsara miaro sy mamahana ny kristiana hiandraiketany.

Mivavaka manokana ho an’ny Papa François dimbin’i Piera isika, sy ireo eveka dimbin’ny apôstôly. Mivavaka ho an’ireo manokan-tena noho ny fanjakan’Andriamanitra. Mivavaka ho antsika vita batemy sy ho an’izao tontolo izao rehetra.

« Mangataka amin’ny tompom-bokatra haniraka mpiasa amin’ny sahany » (Matio 9, 38).

Volana Mey, volan’i Masina Maria izay voalohany raha amin’ny samy mpino an’i Jesoa Kristy.

Hoy izy tao Kanà : « Ataovy izay rehetra holazainy aminareo » (Joany 2, 5).

Marina loatra izany satria « Izaho no avy kosa, hoy i Jesoa Zanany, dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be » (Joany 10, 10).

Hira 2 :

P Juvence RAMANAMBITANA a.a

Aumônier national ANCMF

na raha miaraka amin'ny tononkira, kilikeo eto