Fiangonana any Madagasikara

« NY MARINA NO HAHA-OLONA AFAKA ANAREO » (Joany 8, 32)

Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan'i Kristy

Ry havana,

Nivory teto Antananarivo izahay Evekanareo, tamin'ny 7 ka hatramin'ny 17 novambra 2012. Samy velom-panontaniana isika mianakavy miatrika ny zava-misy eto amin'ny Firenena sy ny Fiangonana. Ka rehefa nandinika sy nandalina izahay dia mampita izao hafatra izao aminareo.

Marina ve fa mahaleo tena isika MALAGASY ?

Lalám-panorenana efatra no efa niainantsika. Amin'ny ankapobeny, ireo filoha teo amin'ny fitondrana no niala, dia vokatry ny fihetseham-bahoaka ary izay voafidy dia samy namorona Lalam-panorenana sady sahaza azy hitazonana ny fahefana no nahazoan'olom-bitsy tombotsoa manokana niaraka taminy : tsy ny teto an-toerana ihany fa teo koa ireo Firenena nanohana azy. Mbola ho tahak'izany koa ny manaraka raha tsy mametraka rindram-piaraha-monina hiaro sy hitsinjo ny tombon-tsoan'ny vahoaka Malagasy hanampy ny tsirairay hikatsaka ny soa iombonana.

Tena iainantsika andavanandro ny tsy fananana fahaleovantena.Porofon'izany :

• Ahodinkodina ny loharanon-karem-pirenena ka potika amin'ny alalan'ny fifanarahana tsy ara-drariny: bois de rose, vy, vatosoa, solitany, omby... ary ny ampahany amin'ny tanintsika.

• Manjaka ny mpanao ratsy : risoriso, kolikoly, dorotanety, vaki-trano, famonoana olona, fanalan-jaza, fanaparitahana fitaovam-piadiana etsy sy eroa. ... ary misy mpitandro filaminana mampiasa ny fahefana

ananany hamotehana vahoaka.

• Noho ny tsy fahasahiantsika miaro ny tombon-tsoam-pirenena dia firenen-kafa no manery ankolaka na mivantana mba tsy handraisantsika vahaolana eto an-toerana.

• Efa nolazainay teto fa ny politika eto amintsika dia mivaona amin'ny fanompoana ny vahoaka : maro loatra ireo antoko politika, rafitra tsy mitombina, fitadiavam-bola sy fitadiavan-tseza no ampanjakaina.

• Tsy takona afenina ny fahasahiranana eo amin'ny fiainana ara-piaraha-monina : mafy ny hanoanana, tsy afa-mianatra ny ankamaroan'ny zana-bahoaka, ary izay tafita tsy mahita asa, any amin'ny toeram-pitsaboana tsy ampy fanafody na anjakan'ny kolikoly loatra, maro ny tokan-trano rava, ary tsy voajery mihitsy ny tombotsoan'ireo tantsaha maro an'isa.

• Ny fitsaràna tsy azo itokisana, fa toa ny manan-katao sy ny misy mpanohana ary ny mahalala olona hatrany no mahazo rariny eo amin'ny tribonaly, ary firifiry ireo tsy manan-tsiny no mibaby ny heloky ny hafa, na dia ireo mpitsara te-hijoro amin'ny marina zary voailika. Ny fanjakan'ny "tsy maty manota" no tena fototry ny tsy fisian'ny fitoniana.

Araka izany, efa tena lasa lavitra ny fahalòvana eto amintsika satria ny konsiansy mihitsy no maty na novonoina. Tsy ny fahaizana intsony na ny herim-po no heverina ho antoky ny fahombiazana fa ny kiantranoantrano, ny hafetsena ary ny fanararaotana ara-nofo, ka voahitsakitsaka ny fanajana ny aina sy ny fanantenana hitraka.

Tandremo sao tara isika.

Ry olom-pirenena Malagasy,

ireo Eveka Ray aman-dReny zokinay teo aloha, dia nametraka hafatra tsy lany hamamiana tamin'ny andro sarotra, ary hamafisinay amin'izao :

« HITAM-POKO HITAM-PIRENENA FA TE-HIJORO SY HIVOATRA ARAKA NY

MAHA-MALAGASY AZY NY MALAGASY. NASEHONY FA TE-HAHALEO TENA TANTERAKA IZY ETO AN-TANINDRAZANY, TE-HO AFAKA AMIN'NY FATORANA ISAN-KARAZANY NANEMBANTSEMBANA NY FIANDRIANAM-PIRENENY, NA ARA-POLITIKA NA ARA-TOE-KARENA NA ARA-TOE-TSAINA; TE-HANORINA RAFI-PITONDRANA TSY NALAIN-TAHAKA TATSY NA TAROA FA ARAKA NY TOE-TSAINA SY TOE-PO MALAGASY ; TE-HANANGANA FAMOKARAN-KARENA MIFANANDRIFY AMIN'NY ILAIN'NY VAHOAKA ARY TENA MAHASOA NY OLONDREHETRA FA TSY NY OLOM-BITSY FOTSINY SY NY FIRENENA AVY ANY IVELANY;

INDRINDRA INDRINDRA, TE-HANABE SY HITAIZA NY SOMBIN'NY AINY NY MALAGASY, ARAKA IZAY FOMBA MAMPIVELATRA NY HANITRA NENTIN-DRAZANA SADY MAMPISONDROTRA AZY IREO HO OLONA VANONA, TENA KINGA, TSY AMBAKAN'NY SASANY EO AMIN'NY FAHAIZANA ». (Hafatry ny Eveka, 7 décembre 1972; Foi et Justice p. 174) Hita araka izany fa tsy mbola tanteraka ireo hetaheta lalina ireo hatramin'izao. Ka manentana izahay :

• Vahoaka Iray isika Malagasy, soatoavina tokony hotandrovantsika io. Ho fanehoana izany ilaina ny fitsinjaram-pahefana marina sy tena izy. Mañana herim-po isika hampijoro ny rafitira mifanentana amintsika, mba tsy ho eo an-tanan'ny olom-bitsy ny hoavin'i Madagasikara ary tsy ho kobaka am-bava fotsiny ny fampandraisana andraikitra ny faritra rehetra.

• Ny fanabeazana sy ny fahasalamana no loharanon-karena, ka tsy azo atao kilalao na faralahy amin'ny rafi-pandaminana rehetra eto amin'ny firenena, ety an-tanan-dehibe ka hatrany ambanivotra rehetra any.

• Aoka mba ho foto-kevitra araka ny mahaolona no hoentina miaro ny tombon-tsoan'ny vahoaka sy manasoa ny firenena ary koa ho entina mampijoro antoko politika fa tsy tsangan'olona na fitadiavan-tseza.

• Tsy maintsy malina isika eo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena. Aza variana maka tahaka na manantena fanampiana lalandava avy amin'ny firenan-kafa fa ny fahaizana amam-pahalalantsika dia ahafahana mitrandraka tsara ny harena misy eto amintsika sy hahitana vahaolana amin'ireo fahasahiranana rehetra.

• Ny famahana olana dia fitadiavana ny marina sy ny mahasoa. Ny teto amintsika anefa hatramin'izay dia fitadiavana ny marimaritra iraisana fotsiny ka mitondra amin'ny ady politikan'olon-droa tsy mety hifanaraka izay

miafara amin'ny fanaovana ny vahoaka ho takalon'aina. Aoka izay fa mahamenatra.

Maneke hohavaozin'ny Evanjely ka mibebaha

Taonan'ny finoana izao. Na maizina aza ny lálan-kizorantsika ankehitriny, aoka tsy ho very fanantenana fa eto amintsika mandrakariva i Kristy fahazavana.

Ho antsika tsara sitra-po rehetra :

• Ny konsiansy no manazava ny fon'ny tsirairay ka ahafahany mivelona ny fahamarinana. Mibebaha áry isika ary meteza ho entanin'ny Fanahy Masina.

• Hita taratra fa mivavaka isika, mitombo isa ny mpivavaka alahady any am-piangonana, kanefa aoka hiaiky am-panetren-tena isika fa raha niainantsika marina ny finoantsika dia tsy ho toy izao i Madagasikara malalantsika ity. Samia mandon-tratra sy mibebaka.

• Miara-dálana mandrakariva, tsy misaraka ny fampihavanana sy ny fahamarinana. Hoy indrindra ny Papa ao amin'ny taratasy ho an'i Afrika

« Mba ho azo tsapain-tanana marina anefa ny fahombiazan'ny famitranam-pihavanana, dia tsy maintsy ombana fihetsika mitory herim-po sy fandalàna ny marina izy: dia ny fikarohana izay tompon'andraikitra nahatonga ny fifandrafiana, ireo izay nanome baiko hanatanterahana heloka, ary ireo

izay nanaram-po tamin'ny risoriso isan-karazany, mba hahafahana mamaritra ny andraikitry ny tsirairay tamin'izany. Manan-jo hahalala ny marina, ary hahazo rariny ireo niharam-boina. Zava-dehibe ho an'ny

ankehitriny sy ho an'ny hoavy ny mandio ny raki-pahatsiarovana mba hahazoana manorina fiaraha-monina tsaratsara kokoa, ka tsy hiverenan'ny antambo tahaka ny teo aloha intsony. » (Africae Munus n°21)

• Ny fiainan'i Kristy sy ny ezaka nataon'ny Fiangonana hatrany amboalohany dia eo akaikin'ny madinika sy ny mahantra. Miseho amin'ny endriky ny madinika i Kristy : « Izay rehetra ataonare amin'ireo madinika ireo dia izaho no anaovanareo azy. » (Mt 25, 40). Adidintsika ny mitia sy ny mamerina ny hasina ary ny miaro ny

madinika.

Eto am-pamaranana dia miara-misaotra an'Andriamanitra isika tamin'ireo fahasoavana voaray vokatr'ireo fankalazana samihafa teto amin'ny Nosintsika, ny namaranana izany indrindra dia ny fananganana ho Olomasina an'i Mompera Jacques Berthieu. Ny taonan'ny finoana sy ny fankalazana ny sinaodan'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly mifanentana amin'ny vanim-potoana ankehitriny dia manainga antsika hijoro ho tena mpianatr'i Kristy sy haka tahaka an'ireo Raiamandrenintsika tena nivelona ny finoana: i Masina Maria, mpanjakavavin'ny Apostóly sy Mpanjakavavin'i

Madagasikara, modelin'ny mpino anie, hitari-dalana antsika hatrany hiatrika izao fotoan-tsarotra izao ka ho misioneran'ny fanantenana isika.

Mitso-drano anareo izahay.

Antananarivo anio 16 novambra 2012

Ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara