EKAR- Madagasikara

FAMETRAHANA NY ARSEVEKAN' ANTSIRANANA

Raha nametra-pialana i Mgr Michel MALO, Arsevekan’Antsiranana, fotoana vitsivitsy lasa izay; dia i Mgr Benjamin Marc RAMAROSON no notendren’i Papa hisolo azy amin’izany toerana izany.

Ny 25 marsa 2006 izy no napetraka ho Evekan’i Farafangana. Ary izany andraikitra izany no nosahaniny talohan’ny nanendrena azy ho amin’izao andraikiny vaovao izao.

Mgr Benjamin Marc RAMAROSON

Tamin’ny sabotsy 25 janoary 2014 lasa teo, fety ahatsiarovan’ny Fiangonana ny nibebahan’i Masindahy Paoly, no voafidy ho nandraisan’ireo Diôsezy Avaratra azy (Antsiranana, Ambanja, Mahajanga, Port-Berger), ka nametrahana azy ho Arsevekan’Antsiranana tamin’ny alalan’ny Sorona Masina notarihin’ireo Eveka samihafa ao amin’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara.

Amin’ny fotoana tahaka an’ ity moa, dia tsy hoe fanamasinana Eveka no natao, satria efa Eveka izy, fa fametrahana azy amin’ny toerany; ka ny famakiana ny taratasy avy amin’i Papa izay nanendry azy no anombohana ny Sorona Masina.

Hoy indrindra ity Arseveka vaovao ity raha nanoratra ho an’ireo vahoakan’Andriamanitra any amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara iny izy, tamin’ny 8 desambra 2013 lasa teo:

”...Ao amin’Andriamanitra tokoa dia tsy misy ny kisendrasendra fa fandaharany ny zava-drehetra mba hahasoa antsika zanany ao amin’i Jesoa….

...Mitalaho ny Fahasoavany hatrany isika mba ho tantanany Ilay nofidiany hahafahany mitarika sy manentana ary mankahery antsika hivelona ny finoantsika, satria tsy noho ny fahamendrehany fa noho ny fitiavany no nifidianan’ny Tompo azy.

Ary teo am-pamaranana ny taratasiny izy, talohan’ny nitsofany rano an’ireo vahoakan’Andriamanitra ireo, dia izao no nosoratany:

“...Eto Amintsika tokoa ny Tompo (Emanoela) mitantana ny lakam-piainantsika Izy ka feno fanantenana hatrany isika…. Tahaka an’i Maria, tahaka an’i Piera dia aoka àry hatoky Azy isika ka hilaza Aminy hoe : « Tsy izahay fa ny fahasoavan’Andrimanitra miaraka aminay” ary « Fantatray ny nametrahanay ny fitokisanay dia i Kristy ilay tsy mivadika mandrakizay ». Io no teny faneva nofidiako hanentana ny Arsidiosezintsika satria efa nanentana ahy hatramin’ny voalohany: « Tsy isika fa ny Fahasoavan’Andriamanitra miaraka amintsika…”

Mirary soa ho an’ity Raiamandreny am-panahy ity isika, miara-mivavaka ho azy ihany koa, sy ho an’ny Arsidiôsezy Avaratra nankinin’ny Fiangonana taminy, mba hahaleo hahalanja ny adidy napetrak’ Andriamanitra taminy izy.