Ny soa fianatsa - 07/01/2017

MANDIHIZA RAHITSIKITSIKA HIANARANAY RAHA FARARANO

Raha tadidintsika, nisy Masera anankiray nandalo teto amintsika tamin'ny Lamesa niarahantsika tamin'ny 18/12/2016, Masera Andréa Razafiarivelo. "Vao efa-bolana izay no nahatongavako teto Frantsa, hoy izy, ary hiofana no nandefasana ahy aty".

Manana sekoly izahay any Andrainjato Fianarantsoa ary ankizy sahirana ara-pivelomana no beazinay ao.

Nanainga antsika io Masera io mba hanome tanana azy ka handray anjara amin'ny hetsika fitadiavam-bola izay nokasainy ho natao rehefa nampianà kristianina mpiara-mivavaka taminy tao amin'ny Paroisse du Saint Esprit, ao Paris 12ème, izy tamin'ny fandrindrana izany.

Tonga tao ny FKMP (Paris), ny tany Troyes koa nahatonga solontena. Nisy aza ny avy tany Maubeuge (59) tonga namaly ny antso. Ny tato amin'ny Diôsezin'i Evry, notarihin'i Mompera Jean Baptiste Ranaivoson; niaraka tamintsika CMZE moa dia anisan'ny nandray anjara mavitrika tamin'izany.

Nampitondra teny fisaorana ho antsika rehetra izay nandray anjara tamin'iny sabotsy 07/01/2017 iny, i Masera Andréa.

Koa dia ampitainay aminareo rehetra izany fankasitrahana avy tamin'i Masera izany. Isika koa dia misaotra azy tamin'ny herim-po feno fahasahiana nasehony. Izany tokoa no hoe "soa fianatra" ho antsika CMZE indrindra. Izay soa fianatra izay no ilay hirahiraintsika amin'ny hoe "mandihiza Rahitsikitsika hianaranay raha fararano".