Mankany amin'ny fampandrosoana irina
Ny faritra misy an'Ankevo dia eo ambonin'ny faritra atsimon'i Madagasikara izay saika tsy mitsahatra mandrahona sy manjo ny "kere", ny mosary. Mbola tsy voakasiky ny hanoanana i Ankevo hatramin'izao, saingy tena marefo ny fiainan'ireo mpanjono Vezo. Ho an'ireo mpamboly Sakalava, sarotra be koa ny fotoana maintimolaly eo anelanelan'ny fijinjana roa.
Tsy raharahian'ny fitondram-panjakana foibe sy ny politika eo amin'ny faritra ireo tanàna ambanivohitra malagasy. Tsy misy ny fotodrafitrasa, tsy mandeha ny fitantanana ny vondrom-bahoaka ary lehibe dia lehibe ny filàna fototra.