Mankany
Antananarivo ("Tana") no renivohitr'i Madagasikara. Eo amin'ny morontsiraka Atsimo-Andrefana, amoron'ny Lakandranon'i Mozambika, ao amin'ny faritra Menabe i Ankevo. 60 km avaratra no misy an'i Morondava, renivohitry ny faritra.
Avy any Eoropa, manodidina ny folo ora amin'ny fiaramanidina vao tonga eny Ivato, seranam-piaramanidin'i Tana. Avy eo dia afaka mandray fiaramanidina iray hafa amin'ny zotra anatiny mankany Morondava (1 ora sy sasany). Azo atao ihany koa ny mandray fiara fitateram-bahoaka "express" mandritra ny 16 ora, fomba fivezivezena tena mampiavaka ho an'ireo tsy manam-bola loatra.
Raha tsara ny rivotra, 4 ka hatramin'ny 8 ora miala an'i Morondava amin'ny lakana an-dranomasina no hahatongavana any Ankevo; tsy azo antoka loatra ny dia ary indraindray mando ihany. Azo atao koa ny manofa fiara 4x4 miaraka amin'ny mpamily mandritra ny main-tany. Lafo kokoa nefa haingana kokoa izany, dia 2 ora raha tsy maty an-dalana ny fiara. Mahafinaritra ihany koa ny mandeha an-tongotra amoron-dranomasina: folo ora eo ho eo ny dia, mamakivaky dongom-pasika, farihy, vato ary honko.
Mila ezaka ny fahatongavana any Ankevo!