Ity fiofanana ity dia ao anatin'ny YWAM International sy ny University of the Nations
Ny Advanced Leadership Seminar (CHR 305)
Ny Sekoly Fanofanana Mpitarika (Leadership Training School - LTS) dia natao hanomezana fitaovana ireo mpitarika ao amin’ny YWAM amin’ny sehatra ara-panahy, fitantanana, fandaminana, ary fifandraisana. Izy io dia ahitana mpianatra, mpampianatra, ary mpikarakara avy amin’ny firenena isan-karazany manerantany. Ny LTS dia mampiditra fomba fianarana maro isan-karazany. Ny atrikasa ifanakalozan-kevitra dia ahafahan’ny mpianatra mahazo fahaiza-manao azo ampiharina, ary ny vondrona fianarana kosa dia manome sehatra hifampizarana, hampifandraisana, ary hampiharana ireo lesona avy ao an-dakilasy. Ny dinika iarahan’ny rehetra sy ny tabilao fiadian-kevitra dia manome rivo-piainana mamorona ho an’ny fampivoarana hevitra sy programa vaovao. Ho famaranana ny fianarana, ny mpianatra tsirairay dia mamolavola drafitra iray hampiharana ny fahitany ho an’ny tetikasa fitoriana vaovao.
Fanamarihana: Amin'izao fotoana izao, izahay dia manolotra ny Fampianarana ho an'ny Mpitarika Mandroso (Advanced Leadership Seminar - CHR 305), izay ampahany amin’ny LTS; noho izany, ireo mpianatra mandray anjara amin’ny LTS dia tsy hahazo fanamarinana misaraka ho an’ity seminera ity, afa-tsy ho ampahany amin’ny kredita avy amin’ny LTS. Ankoatra izany, dia hisy seminera hafa atolotray ho azo atao aorian’izany, izay azo ampifangaroana mba hahazoana ny fandaharan’asa LTS feno.
-Jereo ny UofN.edu eo ambany SEMINERA na mifandray amin'ny Mpanolotsaina Akademika raha mila antsipirihany bebe kokoa na torolalana.
Fepetra takiana amin'ny seminera LTS: Traikefa amin'ny fitarihana misiona | Fankatoavan'ny mpitarika eo an-toerana | Tsy manana trosa tavela amin'ny Sekoly na tobim-piasana, ary faneken'ny mpitarika ny Seminera.
Credits: 1-6
Teny avy amin’ny mpanorina ho anao: “Raha tia an’i Jesosy ambonin’ny zava-drehetra ianao; raha tia ny fiantsoany eo amin’ny fiainanao ianao; raha manome lanja ny olona avy amin’ny firenena rehetra ianao; raha manana fo mpanompo, be fitiavana, ary tia mandray vahiny ianao; raha mino ny tanora ianao; raha mahatsapa ny filànao ny hafa ianao ary mitady torohevitra avy amin’izy ireo ao anatin’ny ekipa iray; raha mandray ny fahitana, ny hevitra mamorona, ary ny fanaovana zavatra vaovao amin’ny fomba vaovao ianao – dia ho fantatr’ireo ampianarinao izany!
Rehefa zarainao aminy ireo soatoavina ireo, manantena aho fa horaisiny izany ary hitombo izy ireo ka ho tahaka anao raha manaraka an’i Jesosy.”
Isika amin'ny maha-mpampiofana antsika dia antsoina mba hampitombo ny fiainan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fiainantsika mba hanangana taranaka mpitarika vaovao ho mpampitombo sy hanampy amin'ny fanatanterahana ny planin’Andriamanitra farany dia ny hahatratra ny voary rehetra sy ny firenena rehetra ho mpianatra.
Fitsipika natao ho azo ampiharina: A Handbook for Pioneering UofN Courses, 2001 Dawn E. Gauslin. Page 14.
Lohahevitra momba ny seminera : TBA.
Mitondra fanovana: Jereo ireto ohatra manaraka ireto ny amin’izay tiantsika ampidirina ao amin’ny seinera Seminera LTS.
Hitombo amin'ny toetra sy ny fitarihana
Mahafantatra tsara kokoa ny JEM: ny rafitra, ny mpitarika, ny soatoavina ary ny VINA
Mba hahitana sy hitombo amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny tena manokana; hanampy ny hafa hahita ny azy
Mba hianatra ny fomba handraisana fanapahan-kevitra tsara kokoa, fanapahan-kevitra manokana sy iraisana.
Mba hianatra fomba fanaovana serasera sy ny fahaiza-manao.
Mba hianatra ny fomba fitantanam-bola tsara kokoa, indrindra amin'ny sehatra maro samihafa.
Mba hifandray amin'ny mpiandraikitra LTS sy ny mpitarika hafa hiatrehana ny VINA sy ny amin’ny ho vy.
Daty : 11 Jolay hatramin'ny 25 Aogositra
Fisoratana anarana:
Fiteny: Anglisy sy Malagasy.
Raha mila fanazavana fanampiny, mifandraisa aminay amin'ny ltsmadagascar2025@gmail.com na tsidiho ny tranokalanay amin'ny: LTS Madagasikara
Geraldo Braga - South Africa
Santini Fely - Madagascar
Fahatongavana: 11 Jolay 2025
Andron'ny Torolalana ho an'ny Base/School: 12 Jolay 2025
Fitohizan'ny hafatra: 13 jolay 2025
Daty fialan-tsasatra: manomboka amin'ny 23 ka hatramin'ny 25 Aogositra 2025