DISCLAIMER na FANAMBARANA
1 - Ny Tanora Mpanefa Iraka dia fikambanana iraisam-pirenena tsy mitady tombombarotra izay miorina amin’ny finoana, ary tsy tohanan’ny vondrona, fiangonana, na sampana fivavahana manokana. Ny fandaharan’ny sekoly dia tsy tohanan’ny loharano ivelany. Ny fandaniana toy ny sakafo, jiro, fivoahana, tambin-karaman’ny mpampianatra, fitaovana any an-dakilasy, sy ireo zavatra hafa dia aloa indrindra amin’ny saram-pianaran’ny mpianatra, na dia misy aza ny fitokisana amin’Andriamanitra hanome ireo fandaniana lehibe kokoa, toy ny fitaovana sy trano. Andrasana ianao hanomana ny saram-pianaranao araka ny voasoratra eto ambany
2 - Ny LTS eto Antananarivo dia hanana sarany tokana ho an’ny rehetra. Mino izahay fa io saram-pianarana io dia maneho ny fahatakarana an’Andriamanitra feno fitiavana, izay mandray andraikitra tanteraka amin’ny rariny sy mamaly ny olona araka ny zava-misy iainany, toy ny Malagasy sy ireo avy amin’ny faritra hafa eto Afrika. Tsy mitovy lanja ny sandam-bola tsirairay, nefa ny fanirianay dia ny hahafahan’ny olona manerana an’i Afrika manontolo mandray fiofanana tsara kalitao. Mino izahay fa ity sarany ity dia fikasana iray hanehoana rariny mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ekena, izay tsy miangatra.
3 - Daty Fandoavana
Ny saram-pianarana dia tsy maintsy aloa manontolo mialoha ny andro fisoratana anarana amin’ny LTS na rehefa tonga any. Na izany aza, ilaina ny mampahafantatra mialoha ary mahazo ny faneken’ny Talen’ny Sekoly.
Tsy mitaky vola amin’ny fisoratana anarana izahay mba hahafahan’ny sekoly ho azon’ny rehetra sy hifanaraka amin’ny fenitra eto Madagasikara. Araka ny politikam-pitantanan’ny University of the Nations, ireo mpianatra izay tsy afaka mandoa ny trosan’izy ireo ara-bola dia tsy mahazo manatrika ny sekoly raha tsy efa nanao fifanarahana an-tsoratra mialoha tamin’ny Talen’ny Fiofanana..
Fanamarihana:
Ny sekoly dia mampiasa ny sarany ambany indrindra azo atao mba hahafahan’ny Malagasy sy ireo avy amin’ny faritra sasany eto Afrika manatrika. Marihina koa fa ny Advance Leadership Seminar dia maharitra enina herinandro monja, ka tena ho sahirana ianao ary tsy hahita fotoana hanangonana vola mandritra izany. Manana enim-bolana ianao manomboka izao mba hanomana ny tenanao sy hanangona vola. Hotahian’Andriamanitra ianao