"Apprentissage sans tracas et sans stress."
/ Misy "146 Leçons" ity "Cours Anglais Parlé" ity [prononciation/dialogue&traduction/exercice]
"Leçon" sy "exercice" iray isan'andro no hianarana mba ho mora amin'ny saina ny mandray sy mitadidy azy.
/ 45min farafahakeliny no fotoana ilaina hianarana isan'andro [(leçon&exercice)1/Jour]
Averimberina henoina ny "dialogue" sady mijery ny "traduction".
Henoina tsara ny "prononciation" ary averina amin'ny feo avo.
Tsy dinganina ny "notes" sy ny "révision" fa vakiana sy hifantohana ihany koa. (important!)
Atao ny "exercice" rehefa hay tsara ny "leçon".
/ Faharetany : 6 Mois (5h15min/semaine)
Détail : 45min/j [(leçon&exercice)1/Jour]
[comparaison : cours en présentiel : 3fois/semaine (1h45min/séance)]
/ Avantages :
Mianatra ianao amin'ny fotoana izay mampalalaka anao, ohatra : "temps de pause".
Mianatra ianao amin'izay toerana misy anao, tsy misy "déplacement".
/ Droit d'inscription :
(10 000 Ar) #0 Ar
/ Frais du cours :
25 000 Ar/mois (6mois = 150 000 Ar)
#60 000 Ar pour une durée de 6 mois (Offre spéciale uniquement pour ce mois-ci)
* Aorian'ny fandoavanao ny saram-pianarana dia mahazo "notification" ianao (@facebook), "invitation" hiditra "groupe privé" : Cours Anglais Parlé / IMA SITE.
Ity "Cours Anglais parlé" ity dia navaozina hifanaraka amin'ny fenitra mety amin'ny rehetra, na mpianatra na olona efa miasa dia afaka manaraka ny fampianarana avokoa. Tsy mandany fotoana amin'ny fandikana lesona fa amin'ny finday ihany no mianatra, miampy "bloc note" na "cahier" hanaovana "exercice". Tsy mitovy amin'ny fampianarana mahazatra satria ny lesona dia namboarina amin'ny endriny izay hahasarika aingana ny saina sy ny fitadidiana.
Tsara ny manamarika fa misy lesona 146 ity fampianarana miteny "Anglais" ity. Natao ho vita ao anatin'ny enim-bolana raha toa ka lesona iray isan'andro no atao. Miankina amin'ny fomba fandraisan'ny sain'ny tsirairay anefa fa ny tena ahitana fahombiazana dia lesona iray isan'andro ihany. Ny antony dia mba tsy ho mora mankaleo ilay fianarana ary mba ho maivana ny zavatra tadidiana isan'andro. Ity fampianarana ity dia natao indrindra ho an'ireo izay vao manomboka mihintsy "débutant", natao ihany koa hitazomana sy hitaizana ny fahaizana ho an'ireo efa mahafehy. Amin'ny alalan'ny "video" sy "image" no hampitana ny lesona misy ny "dialogue" sy ny "traduction" homban'ny feo mifanaraka amin'izany, izay tsy mihoatra ny telo minitra isaky ny "video" iray. Ny sary kosa no maneho ireo "révision" sy "notes" ary ny "exercice" hamaranana ny lesona iray. Ny "video" iray no tsy mihoatra ny telo minitra fa ny famerimberenana mihaino sy manonina "prononciation" ary ny famakiana ny "révision" sy ny "notes" no ilàna ora iray latsaka eo ao anatin'ny iray andro. Afaka zarazaraina 5 minitra na 10 minitra mandrapa-hay azy sy mandrapa-tapitra izay ora iray latsaka izay arakaraka ny fandaharam-potoana ny tsirairay. Ny tanjona dia sady mahay mihaino sy mahazo ny resaka amin'ny teny "Anglais" ary indrindra mahay miteny.
Raha atao kisarisary antsaina ny enim-bolana hianarana dia toy ny manangana trano, izany hoe miainga amin'ny fototra, mitohy tsikelikely miakatra. Mitovy amin'izany ity fampianarana miteny "Anglais" ity, mitarika tsikelikely ary mandeha moramora sy miha-avo miandalana ireo lesona hianarana sy ny fahaizana azo ao anatiny. Hita ao daholo ny fampianarana miresaka ny zavatra lasa "passé" na ny ankehitriny "présent" na ny ho avy "futur" na ny fomba hampitàna ireo atao hoe "verbe irrégulier" sns.
Raha ny mikasika ny lesona dia tamin'ny fampianarana "Anglais parlé" ho an'ireo mpianatra hanohy fianarana any ivelany no nangalana ny fampianarana. Azo antoka fa tsy hijanona amin'ny fianarana miteny "Anglais" intsony ny mpianatra iray aorian'ny hanarahany ity "cours" ity fa hanohy hatrany sy hanatratra ny tanjona izay mifanaraka amin'izany.
Anisan'ny antony ilàna hifehezana ny teny "Anglais":
"Communication internationale"
Rehefa makany @firenena hafa ianao noho ny antony arak'asa, na fianarana na "voyage" sns dia "Anglais" no teny iraisam-pirenena.
"Débouchés professionnels"
Mampandroso ny "carrière professionnelle" anao ny fahaizanao azy araka izany.
"Accès à l'information et à la culture"
Ny "Anglais" no teny tena ampiasaina eo amin'ny "internet". Aingana kokoa ny fikarohana ataonao rehefa mahay azy.
"Développement personnel"
Mampivelatra kokoa ny saina sy mampisokatra ny fahaiza-manao "capacités cognitives" ary haren-tsaina ho anao ny fahafehezana ny teny "Anglais".