ADINONY

Tovovavy izay, mpianatra iray

No indro tazanay raha nisaodisaody teny izahay

Miandry olona nga na mety ho lehilahy

Fa tsy mitsahatra ny mitazatazana, mierika

Somebiseby ery izany endriny

Mitebiteby ery izy miandry ny ora higadonany

 

Fa na nidona aza ny orana, tsy nasiany olana

Niandy ampitoniana izy, an’ilay olo tiany

Niaretany ny hatsiaka sy ny orana nifafy

Ilay olona niandrasany nefa toa mbola tsy avy

 

Afaka ora iray, niverina izahay

Dia mbola tazanay izy miantso amin ny finday

Nitanondrika, tena very hevitra

Nitady lalana dia iny izy no lasa ni pà

 

Lany teo ny ora, very ny fotoana

Ilay olona niandrasana tsy nety tonga foana

Izy nody irery, latsa-dranomaso

Jiatry ny hatsiaka no bongobongo maso