Ny American Corner Antananarivo dia tsy manao ambanin-javatra ny mombamomba anao fa kosa manao ho laharam-pahamehana ny fitanana an'izany ho tsiambaratelo. Ireto andinindinin-dahatsoratra ireto dia manoritsoritra sy manazava ny fomba fiasanay sy ny fepetra raisinay manoloana ny fanangonana sy ny fampiasana ary ny fitandroana ny mombamomba anao.
Mety anangona ny mombamomba anao amin'ny fomba vitsivitsy samy hafa izahay, anisan'izany ity fangataham-pidirana ity, ny fifaneraserana mivantana, ny fomba fifaneraserana hafa, kanefa tsy voafetra amin'ireo. Samy hafa karazany ny mombamomba anao izay angoninay toy ny anaranao, ny fomba ahafahana mifandray aminao (ohatra : adiresy mailaka, laharan-tariby), ny adiresin'ny toeram-ponenanao ary koa ny mombamomba anao hafa ilaina fantatra hahafahanao misitraka ireo tolotra misy ato aminay.
Ny mombamomba anao dia angoninay mba hahafahanay manome sy manatsara ireo tolotra misy ato aminay ary hahafahanay mamaly ny fangataham-pidirana avy aminao. Tsy ho ampiasanay amin'ny antony hafa tsy nahazoanay lalana mialoha ary mazava avy aminao mandrakariva ny mombamomba anao.
Ataonay laharam-pahamehana ny fitandroana ny mombamomba anao izay zarainao aminay ka mandray fepetra iarovana an'izany izahay. Ny mombamomba anao dia hotahirizina ao amin'ny toerana voaaro tsy azo idiran'ny olona tsy nahazo lalana ; izahay dia miandraikitra ny fisorohana ny fikirakirana tsy nahazoana lalana, ny famoahana, ny fanovana, na ny fanimbana ny mombamomba anao.
Manambara etoana izahay fa ny mombamomba anao dia tsy ho zaraina, tsy ho varotina, tsy ho ampanofaina na amin'iza na amin'iza olona na vondrona na orinasa izay tsy nahazoana lalana mialoha avy aminao, raha tsy hoe voaterin'ny lalàna na araka ny toe-javatra mety hisy mba hahatontosa ny adidinay aminao. Mety hampiasa mpanome tolotra manelanelana izahay hanampy amin'ny asanay sy amin'ireo tolotra misy ato aminay. Kanefa izay mpanome tolotra manelanelana rehetra mety hiarahanay miasa dia ho voafehin'ny fifanekena hentitra ary koa ho voarara tsy hampiasa ny mombamomba anao amin'ny antony hafa.
Raha manome anay ny mombamomba anao ianao ary raha miditra ho mpikambana dia manaiky ianao ny hanome lalana ny fanangonana sy ny fampiasana ary ny fitahirizana an'ireo mombamomba anao ireo araka ny voasoritr'ity Pôlitika Fitanan-tsiambaratelo ity.
Ny mombamomba anao dia ho tahirizinay mandritra ny fotoana ilaina amin'ireo antony voalazan'ty Pôlitika Fitanan-tsiambaratelo ity.
Izahay dia mitazona ny zo hanova ity Pôlitika Fitanan-tsiambaratelo ity amin'ny fotoana rehetra.
Raha toa ka mizara an'ity Pôlitika Fitanan-tsiambaratelo ity izahay dia nohon'ny fanirianay ho mangarahara ary koa noho izahay te hanome toky anao fa ny tsiambaratelon'ny mombamomba anao dia ataonay voalohan-javatra. Misaotra anao mahatoky anay.