Raha manoratra anarana ho mpikambana ato amin'ny American Corner Antananarivo ianao dia manome lalana ny American Corner Antananarivo sy ireo olona voatendriny ary ireo mpiara-miombon'antoka aminy haka anao an-tsary sy/na haka anao ho ao anaty horonantsary misy feo. Manaiky ianao fa fandaharanasa sy hetsika fampahafantarana ho an'ny daholobe ihany no anton'ny lalana omenao. Manome lalana ny American Corner Antananarivo sy ireo olona voatendriny ary ireo mpiara-miombon'antoka aminy ianao hamoaka, hanely, hampita, na hitsonga ireo rakitra izay azo avy amin'ny sary na ny horonantsary na ny horonampeo misy anao amin'ny endriny samy hafa, toy ny lahateny, ny sehatra ara-tserasera amin'ny internety, ary ny haino vaky jery, saingy tsy voafetra amin'ireo. Manaiky ianao fa ny rakitra azo avy amin'ny sary sy horonantsary ahitana anao, ao anatin'izany ny sary, ny raki-peo, ary ny hevitra, dia tsy ho ampiasaina amin'ny antony ara-barotra.
Raha manoratra anaran-jaza tsy ampy taona ho mpikambana ato amin'ny American Corner Antananarivo ianao dia manome lalana ny American Corner Antananarivo sy ireo olona voatendriny ary ireo mpiara-miombon'antoka aminy, amin'ny maha ray aman-dreny sy/na mpiahy anao, haka ilay zaza an-tsary sy/na haka azy ho ao anaty horonantsary misy feo. Manaiky ianao fa fandaharanasa sy hetsika fampahafantarana ho an'ny daholobe ihany no anton'ny lalana omenao. Manome lalana ny American Corner Antananarivo sy ireo olona voatendriny ary ireo mpiara-miombon'antoka aminy ianao hamoaka, hanely, hampita, na hitsonga ireo rakitra izay azo avy amin'ny sary na ny horonantsary na ny horonampeo misy ilay zaza amin'ny endriny samy hafa, toy ny lahateny, ny sehatra ara-tserasera amin'ny internety, ary ny haino vaky jery, saingy tsy voafetra amin'ireo. Manaiky ianao fa ny rakitra azo avy amin'ny sary sy horonantsary izay ahitana ilay zaza, ao anatin'izany ny sary, ny raki-peo, ary ny hevitra, dia tsy ho ampiasaina amin'ny antony ara-barotra.