FIFAMPIVAROTANA VARO-MATY Izaho : ANARANA sy FANAMPINY (1) , teraka tamin’ny (andro,volana, taona) tao (Toerana nahaterahana), tompon’ny karapanondro N°… … … … , nomena ny (andro, volana, taona tao (toerana nanaovana azy) ( Raha navaozina ) ary navaozina ny (andro, volana, taona) tao (toerana nanaovazana azy), monina ao (Toera-ponenana : Anarantanana, Lot…..) - MPIVAROTRA ANDANINY – ANARANA sy FANAMPINY(2) , teraka tamin’ny (andro,volana, taona) tao (Toerana nahaterahana), tompon’ny karapanondro N°… … … … , nomena ny (andro, volana, taona tao (toerana nanaovana azy) ( Raha navaozina ) ary navaozina ny (andro, volana, taona) tao (toerana nanaovazana azy), monina ao (Toera-ponenana : Anarantanana, Lot…..); manambady an’i ANARANA sy FANAMPINY. Izay nanome fahefana feno an-dAtoa/Rtoa ANARANA sy FANAMPINY(3) , teraka tamin’ny (andro,volana, taona) tao (Toerana nahaterahana), tompon’ny karapanondro N°… … … … , nomena ny (andro, volana, taona tao (toerana nanaovana azy) ( Raha navaozina ) ary navaozina ny (andro, volana, taona) tao (toerana nanaovazana azy), monina ao (Toera-ponenana : Anarantanana, Lot…..) araka ny fanomezam-pahefana tamin’ny (andro,volana, taona nanaovana azy) - MPIVIDY ANKILANY – DIA MANAO IZAO FIFANARAHANA MANARAKA IZAO Izaho ANARANA sy Fanampiny (1) , taona ary fonenana etsy ambony dia mivarotra varomaty amin-dAtoa Anarana sy Fanampiny (2) izay soloin’I ANARANA sy Fanampiny (3), izay voalaza anarana, taona ary fonenana etsy ambony ihany koa : Ny tany atao hoe (Anarany Tany), titre N°--.---, ao (Toerana misy ilay tany), izay manana habe mirefy …ares …. Centiares, araka izay hita amin’ny sarin-tany ampiarahina amin’ity fifampivarotana ity. Ny vidiny nifanarahanay roa tonta dia (Vidiny @Ariary), izay efa tapitra voarain’ny mpivarotra avokoa ka ity fifanekena ity no solon’ny rosia naharaisana izany. Ny mpivarotra dia milaza fa azy marina io tany io ary tsy mbola nataony anto-bola tamin’ny olona hafa mihitsy, koa raha misy arakaraka any aoriana dia izay hitomboan’ny vidiny no hanefan’ny mpivarotra azy amin’ny mpividy indray. Ny mpividy dia milaza fa nahita tsara ny tany novidiany ka handray azy amin’ny toetrany ankehitriny ary handoa ny hetrany amin’ny ho avy. Araka ny andininy faha-366 amin’ny fehezan-dalàna famaizana, ny roa tonta dia milaza fa vidiny marina io voalaza eo ambony io. Natao an-tsitra-po tsy nisy teritery izao fifanekena izao ka iarahanay roa tonta manao sonia eto ambany. Antananarivo, faha ……………..
|